Hita tao anatin’ny fotoana fohy ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny famongorana ireo asan-jiolahy teto an-drenivohitra sy ny tany am-banivohitra.
Catégorie : Samihafa
NY AMPINGA MPIKABARY : Hampiofana mpampianatra ho matihanina ny 14 oktobra izao
Hampiofana mpampianatra manodidina ny 500 ho lasa matihanina amin’ny fikabariana Ny Ampinga Mpikabary.
INNER WHEEL : Lanonana lehibe ho fanangonam-bola amin'ny fananganana tsena lehibe eo Manakambahiny
Ny “Inner Wheel” dia fikambanam-behivavy mpanao asa soa ary mijery manokana ireo vehivavy manana fahasahiranana. Nanomana lanonana lehibe izy ireo ny Sabotsy 25 septambra lasa teo, izay hetsika hanangonana vola ho fananganana tsena lehibe eo Manakambahiny.
ISSUP ETSY BEHORIRIKA : Nandray anjara tamin’ny “salon des étudiants” ary manomana taranja ho an’ireo afaka bakalorea
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny “salon de l’étudiant” izay natao farany teo ny sekoly ambony ISSUP na “Instistut Supérieur Privé Professionnel” etsy Behoririka ary afaka nampianatra sy nanoro ireo mpianatra afaka bakalorea izay nanao fitsidihana ny trano evan’ny Issup ny tompon’andraikitry ny sekoly.
NY AMPINGA MPIKABARY : Namoaka ny andiany faha 13, miisa 315 mianadahy
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo ireo mpikabary andiany faha 13, izay “andia-volafotsy” miisa 315 mianadahy izay navoakan’ny Ny Ampinga Mpikabary, tetsy amin’ny sehatra Maintso Analamahitsy.
VOLA FANAMPIANA AZON’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA : Aleo hisitraka izany ny faritra, distrika ary kaominina, hoy ny AV7
Hita ny ezaka nataon’ny filohampirenena tamin’ny diany farany teo, izay namonjeny fivoriana voalohany tao amin’ny firenena mikambanana.
AMBOHIPO SY AMBOLOKANDRINA : Niditra tamin’ny fanesorana ireo mpivarotra tsy ara-dalana ny CUA
Niditra tamin’ny fanadiovana ireo mpivarotra amoron-dalana teny Ambohipo sy Ambolokandrina ihany koa ny delegen’ny boriborintany faharoa, tamin’ity herinandro ity, nanomboka ny Alatsinainy teo.
AMBOHIMANGAKELY : Maizina ny Tanàna
Tsikaritr’ireo mponina eny Ambohimangakely fa efa maro amin’ireo takamoa napetraka teny amin’ireo andrin-jiro eny an-toerana no tsy mirehitra intsony ankehitriny. Vokany, miaina anaty haizina indray ny mponina eny an-toerana rehefa mitehan-ko hariva sy alina ny andro.
FITATERANA AMBOHITRIMANJAKA : Hiditra amin’ny fanasaziana ireo taksibe tsy manara-dalana ny kaominina sy ny zandary
Kaoperativa 4 dia FIBAMI, KOFIZA, KOFIZAM ary ny KOFIBAMI no nanaiky ny fifanarahana fa hanao ny asa fitaterana ara-dalana, miainga eo amin’ny 67 ha ka hatreny Ambohitrimanjaka. Taksibe miisa 80 eo ho no hisahana izay fitaterana izay araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà.
MINISTRA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Manohana azy hatramin’ny farany ny fikambanana AV7 na eo aza ny fanenjehana
Niteraka resabe tato ho ato ny resaka momba ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo.
