MINISTRA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Manohana azy hatramin’ny farany ny fikambanana AV7 na eo aza ny fanenjehana

Niteraka resabe tato ho ato ny resaka momba ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana AV7, atoa Haja Andriamahanina, fa voatohina ny haja sy ny voninahitry ramatoa ministra, tamin’ny fanalabaraka natao taminy sy ny fanenjehana ary ireo karazana fisoketana. Tsy ao anatin’ny soatoaviana Malagasy izany, hoy izy. Rariny sy hitsiny raha toa ka nitory ilay gazety nanalabaraka azy ny ministra ary manohana azy ny fikambanana AV7, hoy ny filohany. Matoa henjehina ny ministra dia miasa izy ary izay ihany koa no nambaran’ny filoha Andry Rajoelina tany Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, fa valiana asa ny fanenjehana izay hatao, ka nankahery ny ministra ny AV7. Ny hangatahin’ny fikambanana dia aleo hanohy ny ny asany ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, hoy ny AV7. Ny politika ankapoben’ny fanjakana dia hita taratra fa tokony hiasa ary handray ny andraikiny ireo minsitra tsirairay. Jereo ny sosialim-bahoaka, hoy ny filohan’ny AV7. Nahitana fiakarana ny vidin’ny lafarina, ny menaka. Ny PPN amin’ny ankapobeny mihitsy no nahitana fiakarana. Aiza ilay vary nafaran’ny fanjakana fa toa mbola tsy tonga any amin’ny mpaninjara, fa ny fijerena ireo entana lany daty indray no maha maika ireo ministra, fa tsy ny fiakaran’ny vidin’ny PPN amin’ny ankapobeny, hoy ny AV7. Ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra isika izao, ka mba hanamaivanana ireo ray aman-dreny dia tokony hasiana ny “cantine scolaire” sy kaly Tsijo, tokony ho tohizana koa ny fizarana ny “kits scolaire”. Farany, mangataka amin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina ny fikambanana AV7, fa mba jereo ny onitra tokony hisitrahan’izy ireo efa ho 10 taona mahery izao. Misy amin’ireo mpikambana sasany no tsy salama ary tsy manana ny enti-manana amin’izany. Nisy namoy ny ainy. Misy mbola mitondra takaitra nohon’ny bala izay mbola tavela, ka tsy manambola hitsaboana ny fikambanana. Jereo ihany koa ny tena mpitolona atoa Filoha Andry Rajoelina, hoy hatrany, atoa Andrihamahanina Haja filohan’ny fikambanana ary mbola vonona ny hanohana ary efa manomana ny fanohanana ny filoha Andry Rajoelina amin’ny fifidianana ny taona 2023 ny fikambanana AV7 amin’izao.

Vous aimerez aussi