Hita tao anatin’ny fotoana fohy ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny famongorana ireo asan-jiolahy teto an-drenivohitra sy ny tany am-banivohitra. Nihena ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana teto an-drenivohitra taorian’ny hetsika nataon’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana. Nankasitraka azy ireo noho izay ezaka natao izay ny fikambanana AV7. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Andriamahanina Haja, fa hita ny asa mivaingana nataon’izy ireo tamin’ny fanazavana ny lalana sy ny sakelin-dalana rehetra teo Antananarivo. Nankasitraka ny SEG, ny ministry ny filaminana anatiny, ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny AV7. Na dia tsy foana tanteraka aza ny fanendahana dia hita fa nihena izany, satria mazava ny tanàna ary eo koa ny fisafoana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra izay, nokianin’ny AV7 koa ny fanoherana bontolo eto amin’ny firenena, nefa tsy mitondra vahaolana ireo mpanohitra fa manohitra fahatany fotsiny. Amin’ny ankapobeny dia tsy mahita olana amin’ny fitantanan-draharaha sy ny politikan’ny firenena ny AV7, hoy ny filohany, satria efa hita ny asa mivaingana hataon’ny filoha Andry Rajoelina. Tokony handray ny tandrify azy koa ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy amin’ny andraikitra izay atao. Mbola vonona hanohana ny fitondrana ankehitriny ny fikambanana AV7. Nambaran’ny filohany hatrany, fa ny tolona tamin’ny 2009 no nitondra tamin’izao fanovana ankehitriny izao, mba nialàna tamin’ny didy jadona sy ny didy kofehy no nisy raha tsy nisy io tolona io, hoy ny filohan’ny AV7. Voalazany fa fanarenena mahery vaika no entin’izao fanjakana amin’izao fotoana izao, tsy mora anefa izany. Mikasika ny vary 25.000 taonina tonga tao Toamasina, dia tokony hahena ny vidin’ny vary eto Antananarivo fa tsy any Toamasina ihany. Aparitaho manerana ny nosy ny nosy ny vary ary ahenao ny vidiny, hoy hatrany ny AV7. Farany, dia mirary soa hahavita ny fifidianana Holafitry ny mpanao gazety ny AV7 ary miandrandra vaovao marina sy mari-pototra avy amin’ny mpanao gazety, indrindra fa ny filohan’ny OJM, ny fikambanana AV7.


