Hampiofana mpampianatra manodidina ny 500 ho lasa matihanina amin’ny fikabariana Ny Ampinga Mpikabary. Araka ny fanazavan’ny filoha mpanorina Ny Ampinga, atoa Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena, fa ny 14 oktobra ho avy izao izay fampiofana izay amin’ny toerana 4 dia ao amin’ny lisea Privé Fanoellie Imerinafovoany, Saint Jean Ambohimangakely, Ceg Ampefiloha, Antsahabe ampitan’ny arrêt bus Masikoty. Araka ny fanazavan’ny filoha hatrany, fa mianatra 5 taona vao afaka miditra ho mpampianatra, izany hoe efa mahafehy ny kabary amin’ny ankapobeny. 10 taona nijoroana Ny Ampinga amin’izao fotoana izao ary efa mahatratra 50 mahery ireo mpampianatra navoakany. Ny 30 amin’izy ireo mampianatra, fa ny 20 kosa efa nahavita nanangana ny azy ireo manokana. 11 kosa ny isan’ireo mari-boninahitra azon’Ny Ampinga ary aman’arivony ireo mpianatra no efa nivoaka. Anisan’ny nanamarika ny faha 10 taona nijoroan’Ny Ampinga izany, hoy ny filoha. Ny tsangambato kosa dia ny fanaovana pôlo ho an’ny mpikambana rehetra ary hisy ny hetsika lehibe ho karakaraina tsy ho ela. Marihana, fa ny tanora ary vehivavy no tena liana amin’ny fianarana kabary amin’izao. Misy ny ilain’izy ireo amin’ny asany, ny sasany amin’ny fianarana, ny hafa entiny amin’ny fifaninana toa ireny “Miss” ireny, ny sasany any amin’ny fianarana any Ankatso. Marihana etoana fa 9 volana ny faharetan’ny fianarana kabary ao amin’Ny Ampinga.


