Adika tsotra amin’ny fiteny malagasy hoe : « Fetin’ny trano rantsan-kazo ». Ny Soukah, midika ho « trano tomboka » na trano rantsan-kazo » ary ny Rhag « fety ara-panahy». Iantsoana ny « Rhag soukot » ihany koa ny hoe : « Yom Atseret » na ny andro farany hiravoravoana ho amin’ny fankalazana ny fetin’ny trano rantsan-kazo.
Naharitra havaloana (valo andro) ny fotoam-pankalazana ny « Rhag soukot ». Ny andro voalohany, fahafito ary ny fahavalo no nanatanterahana ny « Mikra kodesh » na fotoam-pivavahana lehibe anatin’ny « Rhag soukot ». Ny trano rantsan-kazo izay toerana vonjimaika nametrahan’i Adonaï ireo Zanak’Israely mandrapahazoan’izy ireo ny tena tranony dia ny tany nampanantenaina i Kanana izany (Maneho ny arivo taona). Mampitamberina ny voasoratra anatin’ny « Torah » (baiboly) izay manambara fa nampilasy ny Razambenareo aho, fony izy ireo nivoaka avy any Egypta ny « Rhag soukot ».
Ankoatra izay fotoana fanamarihana ny fanangonam-bokatra ihany koa ny « Rhag soukot ». Azo hazavaina tsotra ho « Fetim-bokatra » ihany koa, araka izany, ny fankalazana ny « rhag soukot ». Mitondra ireo vokatra ao amin’ny trano fivavahana ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana Hebreo notsrym mandritra ny fankalazana. Tandindon’ny fotoam-pararano izay hijinjana ny vokatra ka hiavahan’ny vary sy ny tsiparifary (nafafin’ny fahavalo) ny « Rhag soukot » amin’ny maha fetim-bokatra azy.
Ho an’ny « Fiangonana Hebreo notsrym », araka izany, tsy hisy ho diso anjara amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay (Tany voadio, tsy misy ota) ireo rehetra mandray anjara amin’ny « rhag soukot» Amin’ny andro farany dia hanangona ny Zanaky ny fanjakana ho any an-tsompitra ary ny Zanak’ilay ratsy ho dorana any amin’ny afo ny Anjely. Manambara ny fararano lehibe fahataperan’izao Tontolo izao ihany koa, araka izany, ny « rhag soukot » ho an’ny fiangonana Hebreo notsrym.
Raha fintinina, maneho ny fiavian’ny mpamonjy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny « Rhag soukot » Ity farany (rhag soukot) izay antoka iray lehibe ho an’ireo mpino eo anivon’ny fiangonana Hebreo notsrym fa tsy ho diso anjara amin’ny fandovana ny fiainana mandrakizay izy ireo (Voa tsara voahangona ao an-tsompitra). Amin’ny ara nofo, nomarihan’i Shalar Andriamady Rija, mpitarika ny Fiangonana Hebreo notsrym, fa mitondra fitahiana sy fahasoavana eo amin’ny fiainana ny fanatanterahana ny « rhag soukot ».


