Ny “Inner Wheel” dia fikambanam-behivavy mpanao asa soa ary mijery manokana ireo vehivavy manana fahasahiranana. Nanomana lanonana lehibe izy ireo ny Sabotsy 25 septambra lasa teo, izay hetsika hanangonana vola ho fananganana tsena lehibe eo Manakambahiny. Io tsena io moa dia natokana ho an’ireo vehivavy sahirana sy manana fahasembanana, ary mahazaka hatramin’ny 60 tsena. Orinasa lehibe efa fantatrin’ny rehetra no hanatanteraka ny asa, ary eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ka ezahina atao manara-penitra avokoa ny fotodrafitrasa.
Lanonana “Mythical Evening”
Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ity lanonana “Mythical Night” ity satria dia samy afa-po avokoa na ny mpikarakara na ny nasaina. Olona mana-kaja maro no tonga nanatrika izany. Anisan’ny nampiavaka ity lanonana ity moa ny “Défilé de mode” izay nitondran’ireo artista maro ny sangan’asany toa an’i Jaomatana, i Tachou ary indrindra i Sandra Rose izay namerina indray ny taona 20 an’i Margareth GOLDING. Teo ihany koa ny “Comédie Musicale” an’i Bohemian Rhapsody izay tena nanamarika ity lanonana ity.
Anisan’ny goavana indrindra tamin’ny hetsika nokarakarain’ny “Inner Wheel” ity “Mythical Evening” ity ary tsy hijanona hatreo izy ireo fa mbola hitohy hatrany izany.









