Hita ny ezaka nataon’ny filohampirenena tamin’ny diany farany teo, izay namonjeny fivoriana voalohany tao amin’ny firenena mikambanana. Mibaribary amin’izao fotoana izao, fa tena nahazo voandalana nahafinaritra ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny fikambanana AV7, atoa Andriamahanina Haja. Anisan’izany ny nahazoantsika famatsiam-bola tsy averina tamin’ireo mpamatsy. Nahafam-po, hoy ny AV7 ny ezaka vitan’ny filoha ary midera ny risim-pony. Tsy mora ihany koa, hoy ny fikambanana ny niresahan’ny filoha sy ny fitakiany an’ireo nosy manodidina ireo mba hiverina amintsika, teo imason’ny firenena mikambana. Na nisy aza ny fifampiresahana dia mbola sahy nitaky ireo nosy manodidina ny filohampirena Andry Rajoelina. Marina fa mahantra isika, nefa ilaina ny fandrosoana, hoy ny AV7. Ny fampandrosoana dia tsy vita ao anatin’ny iray andro na 2 na 3 volana. Ilaina ny fisian’ny teleferika eto amintsika ary mampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana izany, hoy ny AV7, ka aleo hiroso amin’ny fampandrosoana isika, fa tokony hojeren’ny filoha Andry Rajoelina kosa ireo sosialy sy ny tena manahirana ny vahoaka amin’izao fotoana izao, hoy Andriamahanina Haja, filohan’ny AV7. Mikasika ilay vola fanampiana azon’ny fanjakana, dia antenaina, hoy ny AV7 fa ampiasaina amin’ny tokony ho izy ny vola. Ny fijerena ny sosialim-bahoaka. Ataovy ara-drariny ny fizarana ny isa-paritra, ny faritra, ny distrika ary kaominina. Aparitaka amin’ireo toerana ireo ny vola fanampiana azo amin’izay tsy taraiky amin’ny fampandrosoana ary tsy misy na distrika na kaominina hadino intsony amin’ny fampandrosoana, mba ahafahan’ireo faritra 23 ireo hisitraka io fanampiana azo io. Mbola manao pi-maso amin’ny filohampirenena Andry Rajoelina ihany koa ny filohan’ny AV7, fa mba tokony havoaka amin’izay ny onitra tokony hisitrihan’izy ireo fa efa ela loatra (ndlr : 10 taona mahery izao). Ampiharo ny lalàna tamin’ny didy taona 2007 fa ilain’ny fikambanana sy ireo mpikambana io onitra io, hoy ny filohan’ny AV7 hatrany nanamafy.


