Nivoitra nandritra ny fanatontosan’ireo mpitarika sy mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara eny Ambohimangakely, nandritra ny fanatanterahana ny « Redynamisation » na fameloma-maso ny antoko, ny faran’ny herinandro teo ny fahavononan’izy ireo hiatrika ny ambaratongam-pifidianana hotanterahana amin’ny taona 2023.
Nandritra ity fihaonambe ity no nanatanterahana ny fifidianana ho an’ireo hitarika ny Com-TIM sy ireo birao mandrafitra izany. Mbola nametrahan’ireo mpikatroka fitokisana ho filohan’ny Com-TIM Ambohimangakely indray, araka izany, i Razanakoto Hajasoa Pascal « Haja Boum ». Nanteriny tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony fa mila mandray andraikitra amin’izay manandrify azy ireo mpikambana eo anivon’ny antoko TIM eny Ambohimangakely ho amin’ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana mba tsy hiverenan’ireo lesoka tamin’ny farany teo intsony. Samy naneho ny fahavononany ho amin’ny fanatanterahana izany rahateo ireo mpikambana sy mpitarika. Raha fintinina, mbola anatin’ny tanjany sy ny heriny tanteraka ny Antoko Tiako i Madagasikara eny Ambohimangakely. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ary nitondra fanentanana ho an’ireo mpikatroka eo anivon’ny Tiako i Madagasikara ny solombavambahoaka Gerry Andriambolaina sy ireo biraon’ny Dis-TIM.


