JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA : Manameloka ny fikasana ny hamono Filoham-pirenena ny Hafari

Nomelohin’ny fikambanana Hafari ihany koa ny fikasana ny hamono ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nambaran’ny filohany, atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa niezaka nivoy ny maha malagasy ny filoha, ka anisan’izany ny fananganana ny Pharmalagasy, nanandratra ny fitsaboana nentim-paharazana, ny fampidinana ny vidin-tsolika, ny fitakiana ny nosy manodidina na ny îles éparses, sns, ny filoha.