JEAN NIRINA RAFANOMEZANTSOA : Manameloka ny fikasana ny hamono Filoham-pirenena ny Hafari

Nomelohin’ny fikambanana Hafari ihany koa ny fikasana ny hamono ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nambaran’ny filohany, atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa niezaka nivoy ny maha malagasy ny filoha, ka anisan’izany ny fananganana ny Pharmalagasy, nanandratra ny fitsaboana nentim-paharazana, ny fampidinana ny vidin-tsolika, ny fitakiana ny nosy manodidina na ny îles éparses, sns, ny filoha. Noho izany, manameloka ny fomba ratsy entina hamono ny filoha Andry Rajoelina ny Hafari malagasy. Miantso fihavanana ho an’ny malagasy rehetra tsy ankanavaka ny filohan’ny Hafari, na mpanao politika na tsy mitovy fijery izy. Nambaran’atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa amin’izao fikasana ny hamono ny filoha izao dia misy mitady ny hanao Ratsimandrava II ary nohamafisiny fa miady amin’ny mafia isika ary mafia no ao ambadik’izao fikasana ny hamono Filoham-pirenena izao, hoy hatrany ny filohan’ny Hafari. Farany, nanamafy atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, jereo ny manodidina anao andriamatoa Filoha fa misy manipy hoditra akondro ny sasany amin’izy ireo, hoy hatrany ny filohan’ny Hafari.

Vous aimerez aussi