Nahazo kamiao ben fandraofana fako sy fitaovam-pambolena toy ny angady sy « sarcleuse » avy tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny kaominina Ambohidratrimo. Tsy adino ihany koa ireo tantsaha sy ny mpanasa lamba fa nahazo koveta, siao, savony, masomby ary kidoro tamin’ny filoha ihany koa izy ireo. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo ireto fanomezana avy tamin’ny filoham-pirenena ireto, ka ny governoran’Analamanga atoa Hery Rasoamaromaka no nisolo tena ny filoha nanolotra an’io kamiao io. Nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga, fa araka ny fampanantenana nataon’ny filoha dia tsy misy kaominina na distrika adino intsony amin’ny fampandrosoana fa tsy maintsy jerena ary ampiana ireny kaominina sy distrika ireny, hoy izy.

Notanterahin’ny filoham-pirenena ihany koa ny velirano nataony tamin’ny kaominina Ambohidratrimo ary namaly ny fangatahana sy ny hetahetan’ny Ben’ny tanàna ny filoha. Nankasitraka ny filoha Andry Rajoelina ny Ben’ny tanàna atoa Raherimanantsoa Feno. Nambarany, fa efa nanolotra dabilio zato ho an’ny mpianatra ihany koa ny faritra Analamanga, hoy ny ben’ny tanàna. Tanàna tsy hisy fako no tanjona, hoy hatrany ny fanazavan’ny ben’ny tanàna. Andiany voalohany ireto fitaovana natolotra ny zomà lasa teo ireto, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, fa ho avy tsy ho ela ny andiany faharoa, hoy izy. Manameloka tanteraka ny fikasana ny hamono ny filoham-pirenena ihany koa ny faritra Analamanga. Araka ny fanazavan’ny governora hatrany, dia nahavita nampandroso ny firenena ny filoha, ka ezahina haratsiana sy hanaovana antsonjay ary miafara amin’izao fikasana ny hamono ny filoha izao, hoy ny governora. Nankahery ny filoha sy ny vady aman-janany ny governora ary mivavaka ho azy ireo ahafahany mampandroso ny firenena hatrany.



