RAKOTOMALALA HENRI FILOHAN’NY GADRA POLITIKA : Nangataka fifonana tamin’ny filoha Andry Rajoelina, fa tsy nety ny tsikera nataony

Niova fo ! Mahatsapa atoa Rakotomalala Henri, filoha nasionaly ny gadra politika na ny FEDEP na « Fédération des Ex-Détenus Politiques » fa tsy nety ny nataony tamin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina, ka nangataka fifonana taminy izy. Araka ny fanazavany, dia nahery vaika tokoa ny tsikera sy ny teny mahery nataon’atoa Rakotomalala Henri, tamin’ny Filoha Rajoelina Andry tao anatin’ny 2 taona izay. Ka taorian’ny fivoriamben’ny fikambanan’ny gadra politika manerana ny nosy dia nanapan-kevitra ny mpikambana rehetra, fa hialà ao anatin’ny fanoherana sy ny mpanohitra ary hanohana ny fitondrana sy ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Mahatsapa tanteraka ireto mpikambana ao anatin’ny gadra politika ireto, fa ny fitondrana amin’izao fotoana izao no hangatahin’izy ireo ny zony, izay voafaritry ny lalàna N° 2016037 (Réparation et indeminisation). Eo ihany koa ny fahatsapan’izy ireo fa fanoherana bontolo sy feno fankahalana fotsiny ihany no hatao ao amin’ny fanoherana, hoy hatrany Rakotomalala Henri ary fikonokononina fanankorotanana izay hampihemotra ny firenena indray. Amin’ny maha mpanao politika an’atoa Rakotomalala Henri, dia tsy faharesena akory ny mifona sy mibebaka amin’ny tsy mety natao, ka hitondrany sy hanamafisany etoana ny fangatahany sy fifonana amin’ny Filohampirenena hajaina tamin’ny teny rehetra maharary nataony fony izy tao anatin’ny fanoherana. Nambarany, fa amin’izao vani-potoana andalovan’ny firenena izao dia ilaina maika ny fifamelan-keloka sy ny fanamafisana ny fihavanana mba ahafahana mampandroso ny firenena, satria diso mahantra loatra ny vahoaka malagasy. Resy lahatra ihany koa ireto gadra politika ireto amin’ny asa fampandrosoana maro samihafa, indrindra fa ny fitiavan-tanindrazana hananan’ny filoha Andry Rajoelina. Izay antony lehibe izay no hanohanan’izy ireo ny fitondrana misy ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny atoa Rakotomalala Henri hatrany, fa ny FEDEP manerana an’i Madagasikara dia hiomana sahady amin’ny fanomanana ny fampandresena ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fifidianana amin’ny taona 2023 ary tohanan’ny FEDEP hatramin’ny farany. Toherin’ny FEDEP ary tsy ho ekeny hiseho eto amin’ny firenena intsony ny endrim-panonganam-panjakana toa izay nisy hatramin’izay, satria tsy mahasoa ny firenena izany, hoy izy. Manameloka tanteraka ny fikasan-dratsy hamono sy handatsak’aina ny Filohampirenena ny Fedep Madagasikara, satria tsy kolontsaina malagasy izany ary mankahery ny filoha sy ny ankohonany ny Fedep. Farany, raha ny fanamarinan’ny filohan’ity gadra politika ity dia very mpitari-tolona ny fanoherana ary inoana, hoy izy fa maro no hiala ao amin’ny fanoherana ary hanara-dia an’atoa Rakotomalala Henri.

Vous aimerez aussi