MOZIKA RAP : Hamoaka ny « Fianakams Hip Hop » i Mito

Masaka ny nahandro noketrehana ! Ny tolakandron’ny Sabotsy 07 aogositra ho avy izao, hanomboka amin’ny, 02 ora sy valo minitra, ao amin’ny, « Le point d’exclamation » Analakely, no hanoloran’i Mito, ny kapila mangirana hirakitra hira miisa 08 ho an’ireo mpankafy ny mozika rap.

Raha tsiahivina, mandia ny faha- 22 taona nilalaovany gadona rap i Mito. Mampiavaka azy ilay tononkira mivantana sy azo ambara ho mahitsy toraka mihitsy aza rehefa hanambara sy hampita hafatra ny tovolahy. Traikefa sy haizatra ary fahaiza-manao efa matevin-koditra tokoa, araka izany, no nentin’i Mito niketrika ny « Fianakams Hip Hop ». Noraiketin’i Mito anatin’ny « Fianakams HipHop » ny « Zara Fa vita », « Al kassim » « 360 km », « Fianakams Hip hop », « Ovao ny fihetsika », « Rà mandriaka », « Fiaraha-monina Hip Hop ».

Hanotrona an’i Mito eny an-toerana ny « Vato Mena Maso », « Ko dobla », « Odar », « Mista », « Boska », « Mamy saya », « Septic » ary ny « Kvr ». Tarika samy manana ny maha izy azy avy eo amin’ny filalaovana ny mozika rap. Nomarihan’i Mito fa tokony ho nankalazaina ny taona 2019 ny faha- 20 taona niangaliany ny Hip Hop saingy hatambatra amin’ny fannamarihana ny faha- 22 taona kosa izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin’ny firenena.

Vous aimerez aussi