PASITERA NICOLAS RAJEMISON : « Mila koloina miaraka ny Saina, Vatana ary ny Fanahy »

Tsy azo sarahana ny fitaizana sy fikoloana ny saina, vatana ary fanahin’ireo Mpino raha toa ka tiana ny handovan’izy ireo ny fanjakan’Andriamanitra sy tsy hahadiso anjara azy ireo amin’ilay andro fampakarana (Apokalipsy 21-9), hoy ny Pasitera Nicolas Rajemison. Ity farany izay angady nananana sy vy nahitana ny « Fiangonan’ny ampakarina », miorina etsy Ambohinambo Talatamaty.

Ho an’ny mpitantana ity fiangonana ity izay niorina ny volana septambra 2017, ilaina dieny ety an-tany ny iainana tanteraka ny maha kristianina eny anivom-piaraha-monina. Ampahany amin’ireny ny fampanjakana ny fitiavam-bavaka, fifanampiana, fifampizarana ny olana ary ny firaisankina. Ampahany ihany ho toy ny simenitra hanamafy orina ny finoana ireo, hoy ny Pasitera Nicolas Rajemison ary ho antoka sahady hahazoana ny fanjakan’Andriamanitra.

Hita taratra mivantana ary azo tsapain-tanana ny fiezahana ny fanatanterahana izany eo anivon’ny « Fiangonan’ny Ampakarina », etsy Ambohinambo Talatamaty. Misy hatrany ny fanampiana ireo sokajin’olona sahirana tamin’ny alalan’ny fanolorana vary, nandritra ny fotoanan’ny fihibohana navaivay farany teo iny izay nataon’ireo avy eo anivon’ny departemantan’ny sosialy miorina eo anivon’ny fiangonana. Tsy sary indray mipika ny asa sosialy fa mitohy hatrany amin’ny fotoana ilana izany, hoy ny tompon’andraikitra. Tsy latsan-danja amin’izany ihany koa ny ara-panahy toy ny fizarana baiboly, fiofanana maro isan-karazany ho an’ny sokajin’olona rehetra ary ny fiaraha-mivavaka amin’ny fotoana voafaritra sy ny isan’Alahady. Manana Antoko mpihira ihany koa ireo tanoran’ny fiangonana izay azo ambara ho toy ny sehatra hahafahan’izy ireo mifanabe sy mifampitaiza hatrany. Ny hamonjy fanahy mba handova ny lanitra. Io no iompanan’ny fanatanterahana ireo sehatrasan’ny fiangonana.

Amperiny ho amin’ny famitana tanteraka ny asa fanorenana ny trano fivavahana mahazaka mpino manodidina ny 350 ankehitriny ny Fiangonan’ny ampakarina, etsy Ambohinambo Talatamaty. Raha fintinina, miezaka mitaiza ny fanahy, vatana ary saina ny isam-batan’olona ity fiangonana ity mba tsy hisy ho very izy rehetra.

Vous aimerez aussi