Ny taona 2010 no nahita masoandro ny Groupe Famillah. Anarana midika fa tokony ho iray ihany ny rehetra dieny ety an-tany hatrany an-danitra any.
Tanora andriambavilanitra no maro anisa amin’ireo 12 mianadahy mandrafitra ny tarika. Nomarihan’i Jean Yves izay mpitarika sy mpamoron-kira eo anivon’ny Famillah fa samy resy lahatra ho amin’ny fampiasana ny talenta hoenti-mitory ny filazantsara avokoa izy ireo. Anisan’ny mason-tsivana nifantenana ihany koa anefa ny fananana feomanga sy ny fahaizana mampiasa izany.
Gadona mivelatra
Manavia manavanana amin’ny filalaovana ireo ban-kira misy ety ambany masoandro ry « Famillah ». Ampahany amin’ireny ny maka milamina « Slow » ary mipaka hatrany amin’ireo mampisonenika am-pitoerana tahaka ny « Sud af ». Tsy hadinon’izy ireo ihany koa anefa ny miangaly ny bagasy mampiavaka, ny ankibon’Imerina, Vohitra nahabe azy ireo.
Tononkira mora raisina notakarina avy amin’ireo trangam-piaraha-monina tetsy sy teroa no ezahana hatolotra mandrakariva ireo mpankafy, hoy hatrany i Jean Yves mba samy tsy hisy ho diso anjara amin’ny fanjifana ny hafatra raiketin’ireo hira ny isam-batan’olona. Ampahany amin’ireo tsanganasa efa fantatry ny maro ny « Ny fahasoavanao », « Tianao izy », « Jesosy no lalana ». Amperiny amin’ny fiketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany amin’ny endrika « DVD » ankehitriny ny tarika. Ankoatry ny asa fitoriana an-kira ravahana dihy, azo ambara ho sehatra fibeazana ho an’ireo mpikambana sy mpitarika ihany koa ny Groupe Famillah. Misokatra malalaka ho amin’ny fanabaezam-boho ny hira evanjelika sy ny asa fitoriana ity tarika ity, izay manana ny foiben-toerany, eny Ambohipo Tanàna.


