Araka ny anarana hoe Tafs Ramahafadrahona dia ny antom-pisiany ny fisian’ny hira sy ny mozika izay nahafantaran’ny maro azy. Io no hafatra napetraky ny Rainy Papa Ramahafadrahona dia tsy maintsy apetraka sy entina mandrakizay izany, hoy ny zanany. Efa mahatratra any amin’ny 50 mahery any ho any ny hira novokan’ny tarika Tafs Ramahafadrahona amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana voaray. Fa nohon’ny fahalasanan’ny Papa Ramahafadrahona sy ho fanomezam-boninahitra azy manokana dia niezaka ary navaozin’ny Tafs zanany avokoa ny hira nahafantarana ny havana Ramahafadrahona rainy izay efa vita ny rakipeo sy ny rakintsary, fa hamoaka azy amin’ny fomba ofisialy ny zanany Tafs Ramahafadrahona tsy ho ela. Raha ny hirany kosa dia efa maro ny vaovao, fa ho fanomezam-boninahitra manokana ny rainy dia ny hiran’ny rainy manontolo no navaozina tamin’ny tradisionela sy ny façon –ny zanany. Raha ny programa indray dia ny tarika Tafs Ramahafadrahona dia tokony ho nanao fiteteza-paritra tany ivelany, fa noho ny covid-19 dia tsy afaka nanao izany. Any am-pita no hampahafantatra ny vakoka nentim-paharazana azy ny tarika Tafs Ramahafadrahona raha tsy misy ny fiovany. Ny eto an-toerana indray dia ny fampahafantarana ny vakoka aloha no hatao, hoy ny fanazavany ny zanany. Hampahafantarina ny taranaka aman-jafy ny hatao hoe vakon-drazana ary tsy ho ela no hanaovana izany, hoy hatrany ny zanak’i Papa Ramahafadrahona.


