Norobain’ny filoha-paritra lefitry ny orinasa « Tiako ny Ala Salama » atoa Nandiny Goavy Avoasy na Rico, tao Toliara, ny alatsinainy lasa teo ireo fitaovana rehetra an’ity orinasa ity. Tsy nionona tamin’izany ilay ranamana fa mbola noraofiny ihany koa ny entana rehetra tao Morombe izay an’ity orinasa ity ihany, ny talata maraina teo.
Catégorie : Samihafa
AMBOHITRIMANJAKA : Tsy ho vita amin'ity taona ity ny fampidirana rano
Na dia efa nanomana tetibola hanamboarana ny fitarihan-drano vaovao avy eny amin’ny toho-drano Antsapanana Ambohitrimanjaka aza ny kaominina. Mbola tsy ho vita amin’ity taona ity ny fotodrafitrasa araka ny nambaran’Atoa Ihajaso Randriamanalintsoa « Zaza », ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka.
TARIKA « HERIN’NY LANITRA » : Mitory an-kira sy dihy
Mandia ny faharoa taona nijoroany ankehitriny ny tarika « Herin’ny lanitra ». Mampiasa ny talenta nomen-janahary ho amin’ny fitaomana ny Zanak’Olombelona ho tody soa aman-tsara ary tsy hisy ho diso anjara anatin’ny fanjakan’Andriamanitra. Io no antom-pisianay, hoy Ramatoa Hery, vovonana hiadian’ny lohan’ity tarika ity.
JEAN PIERRE RAKOTONDRANAIVO SY TAFS RAMAHAFADRAHONA : Nifampitory ary niakatra fampanoavana
Ny alarobia lasa teo no niakatra teny amin’ny fampanoavana Anosy i Tafs Ramahafadrahona sy dokotera Rakotondranaivo Jean Pierre. Nohon’ny fanodikodinam-bolan’ny orinasa Tasa sy namadihan’i Tafs Ramahafadrahona ny site – n’ny Tasa teny Andoharanofotsy ho SantyMad no antony nitorian’ny dokotera azy.
MPANAKANTO « SAMSON KAED » : Manandratra ny maha malagasy
« Smk’ » Mikol’Art, io no solonanarana entin’i Samson Kaed, mpanakanto manavia manavanana eo amin’ny lafiny famoronan-kira, fandrindrana ary miezaka mampahafantatra hatrany ireo soatoavina tarafina amin’ny fomba amam-panao, fiteny, fitafy anatin’ny kanto jariany ihany koa izy. Ity farany izay zanak’Antalaha.
KAOMININA TALATAMATY : Ankizy 277 vita didim-poitra faobe
Nitohy tamin’ny alalan’ny fanatanterahana didim-poitra faobe ireo ankizilahy miisa 277 avy amin’ireo fokontany miisa 12 mandrafitra ny Kaominina Talatamaty ny hetsika ara-tsosialy fanaon’izy ireo, ny Zoma maraina, lasa teo.
TAFS RAMAHAFADRAHONA NANODIKODINA VOLA 125 TAPITRASA IRAIMBILANJA : Notorian’ny dokotera Jean Pierre Rakotondranaivo teny amin’ny polisy Ambohidahy
Hiakatra fitsarana ny zoma ho avy izao ny raharaha nitorian’ny dokotera Jean Pierre Rakotondranaivo an’i Tafs Ramahafadrahona izay nanodikodina vola mitentina 125 tapitrisa iraimbilanja an’ny orinasa Tasa na « Tiako ny Ala ho Salama ».
BORIBORINTANY FAHAROA : Hampiditra zatovo 15 isaky ny fokontany ny delege
Mahakasika ny tsy fandriampahalemana matetim-pitranga ao amin’ny Boriborintany faharoa, indrindra fa eny amin’ny fokontany Ambolokandrina, Ambohipo, Manakambahiny ary Andohan’i Mandroseza iny dia nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny kaomisaria ny Boriborintany faharoa, ny ekipan’ny depiote Lanto Rakotomanga, ny lehiben’ny distrika ary ny teo anivon’ny Boriborintany faharoa.
KAOMININA ARIVONIMAMO : Nahazo jiro 25 isa avy tamin’ny filoha Rajoelina Andry
Nahazo jiro miisa 25 avy tamin’ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoha Andry Rajoelina, ny kaominina Arivonimamo. Ka nametrahana izany ny tao amin’ny fokontany Andranomena, Mangatany ary Miadanimamo. Ireto fokontany ireto izay hanjakan’ny tsy fandriampahalemana.
KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Olona 290 nahazo kopia maimaimpoana
Ny tsy fananana kopia dia anisan’ny sakana iray ho an’ny olona iray, ka antony iray nahatonga ny fikambanana Koloaina nanao hetsika kopia faobe, tao amin’ny kaominina Ambohidratrimo, ny zoma lasa teo.
