Mpiadina Bepc miisa 10 amin’ny 71 no niala an-daharana tsy afaka ny hiatrika fanadinana Bepc. Antony ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreniny ny saram-pianarana.
Catégorie : Samihafa
FAHA 61 TAONAN’NY FITSINGERENAN’NY FIVERENAN’NY FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA : Hanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filoham-pirenena
Miisa 13158 ireo voafonja efa voatsara manefa ny saziny manerana an’i Madagasikara. 10840 amin’izy ireo no hahazo fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena. Ary ny 2747 dia afaka mivoaka avy hatrany.
DELEGE NY BORIBORITANY FAHAROA : Nofoanana ny arret ny taksibe eo amin’ny Epp Ambanidia
Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, dia nofoanan’ny teo anivon’ny Boriborintany faharoa ny arret ny takibe eo akaikin’ny Epp Ambanidia, ampitan’ny Sainte Etienne, araka ny fanazavan’ny delegen’ny Boriborintany faharoa, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise.
ANKIZY HANALA FANADINANA CEPE, BEPC ARY BAKALOREA : Mila tohanana ara-tsaina, ara-moraly ary ara-tsakafo dieny izao, hoy ny talen’ny sekoly
Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fanadinam-panjakana izay hatrehany ireo kilonga mandinika amin’izao fotoana izao. Ao ireo hiatrika ny fanadinana Cepe, Bepc ary ny Bakalorea.
HALA-JAZA SA FAKANA AN-KERINY TENY AMBOHITRIMANJAKA : Mpimasy no niteraka ny savorovoro sy ny korontana, hoy ny Ben’ny tanàna
Hala-jaza sa fakana an-keriny no nitranga teny Ambohitrimnjaka. Niteraka savorovoro ary nifamahofaho tamin’ny vahoaka teny an-toerana ny zava-niseho.
KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Mitohy ny fanamboara-dalana na misy aza ireo olona manohana ny tsy hamitana izany
Nitondra fanazavana mikasika ny lalana izay hatao eny amin’ny fokontany Ambohitsiroa, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, atoa Raherimanantsoa Feno. Fa noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy afaka mivory sy mamory olona ny tenany.
KAOMININA AMBOHITRIMANJAKA : Vola mitentina 120 tapitrisa ariary hanaovana lalana sy hampidirana rano
Fotodrafitr’asa maromaro no ho tanterahin’ny Ben’ny tanàna Ambohitrimanjaka, ka vola mitetina 120 tapitrisa ariary no hanatanterahina izany. Voalohany izay zava-dehibe ho an’ny mponina Ambohitrimanjaka dia ny fampidirana rano hampiasain’ireo tantsaha amin’ny voly izay hataony sy ireo mpiompy trondro.
DOCTEUR JOH : Nisafidy ny hivoy « Hira evanjelika »
Rakotoarisoa Jean Pierre, no tena anaran’ity mpanakanto sady mitsabo amin’ny alalan’ny zavamaniry sy ny menaka azo avy amin’ny biby ity.
BORIBORINTANY FAHAROA : Nasiana fanamboarana ny tuyau fitaritana rano ao Mahazoarivo
Misy ny tetikasa an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fokontany 192 mandrafitra ny kaominina dia saika misy izay tetikasa madinika izay avokoa. Ho an’ny Boriborintany faharoa, dia tao amin’ny fokontany Mahazoarivo no nanaovana io tetikasa io.
« ASSOCIATION LA CHARITE MADAGASCAR » SY « ASSOCIATION LA CHARITE A LA REUNION » : Nanolotra Colis Ramadan ho an’ny tokantrano 75 isa ho an’ireo Mpino Silamo
Tsy diso anjara avy tamin’ny fikambanana 2 mpanao asa soa avy eto Madagasikara sy avy atsy La Reunion ireo Mpino Silamo eto Antananarivo, izay miatrika Ramadan amin’izao fotoana izao.
