Fotodrafitr’asa maromaro no ho tanterahin’ny Ben’ny tanàna Ambohitrimanjaka, ka vola mitetina 120 tapitrisa ariary no hanatanterahina izany. Voalohany izay zava-dehibe ho an’ny mponina Ambohitrimanjaka dia ny fampidirana rano hampiasain’ireo tantsaha amin’ny voly izay hataony sy ireo mpiompy trondro. Ka hanamboatra barazy fampidirana rano ny Ben’ny tanàna atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà. Raha ny fanazavan’ity farany dia mikarama 7 arivo isan’andro ny mpanetsa vary, mpiasa tany, mpiava vary, mpively vary, sns. Saika fiveloman’ny mponina mihitsy ny tanimbary izay mirefy 21 000 hektara, hoy izy. Rehefa tsy misy ny rano dia tsy afaka mivelona ireo mpiasa sy tantsaha ireo, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Raha ny nambarany, dia fotoana fampidirana rano izao ary fotoana ny fanetsana ihany koa. Barazy 2 no ezahina hataon’ny kaominina dia ny eny Ikotrana sy Antsampanana. Efa manomboka ny fanamboarana azy ireo. Marihana, fa hampiditra rano manokana ho azy ny kaominina Ambohitrimanjaka, ka vola mitentina 50 tapitrisa ariary no hanaovana barazy. Lalana mirefy 3 kilometatra no hamborin’ny kaominina hatao godorao. Ka mialà eo Tetezana ka hatreny Mahitsy io lalana io, ka vola mitentina 60 tapitrisa ariary no hanamboarana izany, izay marihana, fa volan’ny kaominina madiodio sy tamberin’andraikitra avy amin’ny vahoaka. Ho vita tsy ho ela io lalana io. Momba ny vakisiny dia tsy marisika amin’izany ny mponina ao Ambohitrimanjaka, satria tsy ampy ny fampafantarana sy fanentanana hataon’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny ministera mpiandraikitra. Ilaina ny manomana fotoana ary ampahafantarina ny vahoaka mialoha izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Na izany aza dia misy ny fanentanana hataon’ny Ben’ny tanàna sy ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana momba ny vakisiny. Entinina ireo zokiolona sy ireo marefo mba hisoratra anarana eny amin’ny CSB2, izay marihana, fa 25 no isan’ireo nisoratra anarana hatreto na 0,6%. Milà fanentanana sy fampahafantarana mialoha raha hanao vakisiny amin’ny tontolo eny ambanivohitra, hoy ny Ben’ny tanàna.


