KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Mitohy ny fanamboara-dalana na misy aza ireo olona manohana ny tsy hamitana izany

Nitondra fanazavana mikasika ny lalana izay hatao eny amin’ny fokontany Ambohitsiroa, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, atoa Raherimanantsoa Feno. Fa noho ny hamehana ara-pahasalamana dia tsy afaka mivory sy mamory olona ny tenany. Fa ho avy ny fidinana ifotony hataon’ny Ben’ny tanàna, hitondrana fanazavana momba io lalana io. Tsy izay ihany fa hanazava ny fotodrafitrasa rehetra izay hatao ary efa miroso ny tenany. Momba ny lalana eny Ambohitsiroa manokana dia maro ny miahiahy sy ny mety ho fandehany. Taorian’ny savorovoro nisy, izay nataon’ny mponina vitsivitsy dia niezaka ny nandamina ny kaominina. Saika kivy hatramin’ny mpamatsy vola, vokatr’izay savorovoro izay. Tokony tsy nisy ireny zavatra ireny, satria tombotsoan’ny be sy ny maro no jerena, dia somary nihemotra kely ireo mpamatsy vola. Tsy nialà tanteraka anefa izy ireo na izany fa dia hatreo amin’ny lalana tsy misy olana dia hatao ny lalana, fa eo amin’ny lalana misy olana kosa dia antsoina ireo olona ireo hiara hinkaon-doha amin’ny Ben’ny tanàna. Inona no vahaolana hitan’izy ireo ahafahana mampandroso ny fokontany, satria avy amin’ireo olona ireo no nampiato ny fanamboarana, ka tokony handroso soson-kevitra ary hanome vahaolana ireo olona ireo ary handroso mpamatsy vola hafa, satria, ireo mpamatsy vola dia efa nanaiky fa ity no norma ary io no arahina sy atao. Mba ho fiara-miasa dia antsoina izy ireo hanolotra vahaolana, satria, raha nisy ny fanohanana dia tokony hanome vahaolana ary hanolotra toromarika izy ireo. Mandeha ny lalana ary tsy maintsy ho vita io, hoy ny Ben’ny tanàna, satria efa misy ampahany vita ao Ambohitsiroa ary ohatr’io avokoa ny lalana rehefa vita, hoy izy. Tsy maintsy misy tamboho voakitika kely amin’io lalana amboarina io. Tokantrano iray no mbola manana fisalasalana kely ny fanakisanana azy. Ny ankamaroan’ny olona rehetra dia efa nanaiky avokoa ary efa vita ny fifampiresahana ary rehefa nanakisaka ny kaominina dia tokony ho vitaina haingana izany. Ny orinasa mpanao lalana dia efa nanome toky fa hiezaka ary hanafaingana ny lalana. Ny mpamatsy vola efa nilaza fa rehefa milamina ny vahoaka ary manaiky ny fandaminana hametrahana ny fenitra dia vonona hatrany izy hanatanteraka ny asa.

Mikasika ny fitaterana dia efa nisy ny navette ary efa tamin’ny volana martsa no nisiany, izay efa vita fifanarahana teo amin’ny ATT ary ny kaominina, niarahana tamin’ny kaoperativa FIFIABE sy KOFIAMA, izay efa vita sonia ary efa misy lisitrana fiara efa manao navette ao Ambohidratrimo. Tsikaritra, hoy ny Ben’ny tanàna fa tsy misy fiara manao navette ao an-toerana, rehefa nanara-maso izy ireo. Ka nampiantso ireo kaoperativa sy tompona fiara ary ny solotenan’ny mpitatitra izay voasoratra ao anaty lisitra ny Ben’ny tanàna. Amin’ny faha 28 May ho avy izao indray vao hidinika izy ireo. Ny olana, dia tsy hita mivantana ny fifanarahana izay natao, hoy izy. Hihezaka hitady vaolana matotra sy eo noho eo sy ireo amin’io, satria tsy afaka ny hisangy amin’ny sehatra fitaterana ny kaominina.

Efa tonga ny vakisiny

Araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Ambohidratrimo, ramatoa Razanaparany Miadantsoa Noro Haja dia efa tonga eny amin’izy ireo 2 herinandro izao ny vakisiny avy amin’ny fitondram-panjakana. Hetsika fanentanana ny vahoaka, dia miainga eny amin’ny fokontany. Eny no misoratra anarana. Rehefa izay dia ny sefo fokontany no manatitra ny lisitra eny amin’ny kaominina ary ireto farany indray no manatitra ny anarana any amin’ny CSB2. Voasokajy ireo olona hatao vakisiny, izay manana aretina mitaiza toa ny diabeta sy tosidra miakatra ary ireo marefo. An-tsitrapo no ahatongavan’izy ireo eny amin’ny fokontany, hoy ny fanazavana. Ho an’ny fokontany Ambohidratrimo dia mahatratra 50 izao ny olona nisoratra anarana hatao vakisiny. Ao anatin’ny fanomanana ny fetim-pirenena koa ny kaominina Ambohidratrimo ami’izao ary efa mandoko sy manaingo ary manadio ny tanàna ny kaominina ary hampiseho ny endriky ny tanàna amin’ny endriny vaovao, hoy ny sekretera jeneralin’ny kaominina Ambohidratrimo.

Vous aimerez aussi