BORIBORINTANY FAHAROA : Nasiana fanamboarana ny tuyau fitaritana rano ao Mahazoarivo

Misy ny tetikasa an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fokontany 192 mandrafitra ny kaominina dia saika misy izay tetikasa madinika izay avokoa. Ho an’ny Boriborintany faharoa, dia tao amin’ny fokontany Mahazoarivo no nanaovana io tetikasa io. Nasiana fanamboarana sy fanatsarana ny tuyau fitaritana rano ambany ny tany ao amin’io fokontany io, mba tsy ho tsetsina ary mba tsy hivoaka any amin’ny arabe ny rano sy ny fotoka, satria efa nisy fotoana nivoaka ny rano ary nandrevo fotaka ny lalana, hoy ny “Chef de Servive Technique” eo anivon’ny Boriborintany faharoa, atoa Raharijaona Anjara Fiadanana. Miteraka fahasahiranana ho an’ny mponina izany rehefa mivoaka ny rano, hoy izy. Marihana, fa tetikasa an’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izy io ary iarahana amin’ny Boriborintany faharoa. Izany no nahatonga ny delege, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise nanamboatra io tuyau an-drano io, mba tsy ahatonga olana sy fahasahirana ho an’ny vahoaka mivezivezy ao amin’ny fokontany Mahazoarivo, ka nahatonga ny fanamboarana ary manamaivana ny fivezivezen’ny mponina koa ny fahavitany. 22 andro ny faharetan’ny fanamboarana ary aorian’izay dia afaka misitraka izany ny vahoaka, hoy hatrany ny “Chef Service Technique” sy ny delege ary ezahina mba tsy ho tapaka ny lalana, hoy fanazavana, fa afaka mivezivzey amin’ny ampahany ny olona ary rehefa vita ny ampahany voalohany dia miditra amin’ny ampahan’ny faharoa ny fanamboarana. Nomarihany, fa ny fitaovana efa tonga avokoa fa ny fanatanterahana ny asa sisa no hatao. Misy tetikasa iray koa ao Mahazoarivo, fa lalan-kely izy io ary hatao “béton” izay ivezivezen’ny olona, indrindra fa ny mpianatra. Rehefa avy ny orana mantsy dia mamotaka ary mety hiteraka fianjeran’ny mpianatra, ka mahatonga izay fanamboarana izay koa. Na avy ao amin’ny fokontany Ambohitsoa ilay olona ho any amin’ny fokontany Mahazoarivo, na avy any Mahazoarivo ho any Ambohitsoa dia afaka misitraka ity lalan-kely ity, ka ho vita tsy ho ela ny fanatsarana sy fanamboarana. Somary lava io lalan-kely io, izay mirefy 150 metatra ary maharitra 12 andro indray ny fanamboarana azy io, hoy ireto tompon’andraikitra ireto.

Vous aimerez aussi