Rakotoarisoa Jean Pierre, no tena anaran’ity mpanakanto sady mitsabo amin’ny alalan’ny zavamaniry sy ny menaka azo avy amin’ny biby ity. Fantatry ny maro amin’ny hoe : « Docteur Joh » ny tovolahy ao anatin’ny habaky ny mozika sy ny lafiny fahasalamana. Tsy tazana sy tsy heno intsony teny an-tsehatra i Docteur Joh tao anatin’ny fotoana lava, tsy nandao tanteraka ny lafiny fikirakirana ny mozika, aho hoy izy fa niketrika sy nandalina ary nandray fanapahan-kevitra nanoloana ny antson’Andriamanitra ny amin’ny tokony hivoizana amin’izay ireo hira mitaiza fanahy « hira evanjelika » izay entina hanomezam-boninahitra mandrakariva an’Andriamanitra. Raha tsiahivina, ny filalaovana ireo « hira tsotra » no nahafantarana an’i Docteur Joh, tany amin’ny manodidina ny taona 2012.
Gadona maroloko, tononkira mora raisina
Anisany singa mampiavaka an’i Docteur Joh ary azo ambara ho fanomezam-pahasoavana ho azy ny fananana talenta eo amin’ny lafiny famoronana tononkira, fandrindrana ary ny fitendrena ny gitara. Vokany, malalaka tanteraka amin’ny loko mozika lalaoviny sy atosany ho an’ireo mpankafy azy ny tovolahy.
Amin’ny maha Gaonan’Alaotra an’i Docteur Joh, tsy misalasala izy mampiasa ny « Osika » mampiavaka an’Ambatondrazaka. Manavia manavanana amin’ireo bankira vahiny toy ny slow, afro beat, rock, sns ihany koa, izy. Mora voarain’ny mpanjifa rahateo ny tononkira jariany noho izy ireny mifaka amin’ny trangam-piaraha-monina ary noezahana narindra hanana endrika kanto sy raitra sahaza ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Ampahany amin’ireo hira vao nojarian’i Docteur Joh ary vita rindran-tsary tsy ela ny « Niova fo » sy ny « Fanahy masina ». Tsapa, hoy izy fa nandona ny fon’ireo mpankafy ireo sanganasa roa ireo ary niteraka fifohazam-panahy tsara ho an’ireo nahatsiaro fa diso lalana eto am-pamakivakiana ny fiainana an-tany. Andalam-piketrehana ny kapila mangirana hanana endrika « DVD » ankehitriny i Docteur Joh hotronin’ireo mpitendry efa matihanina. Nampanantena izy fa hisy ny fanatanterahana fitetezam-paritra manerana ny Nosy rehefa tonga ny fotoana ahafahana manatanteraka izany.


