JEAN PIERRE RAKOTONDRANAIVO SY TAFS RAMAHAFADRAHONA : Nifampitory ary niakatra fampanoavana

Ny alarobia lasa teo no niakatra teny amin’ny fampanoavana Anosy i Tafs Ramahafadrahona sy dokotera Rakotondranaivo Jean Pierre. Nohon’ny fanodikodinam-bolan’ny orinasa Tasa sy namadihan’i Tafs Ramahafadrahona ny site – n’ny Tasa teny Andoharanofotsy ho SantyMad no antony nitorian’ny dokotera azy. Volan’ny orinasa sy ny fitaovana mitentina 300 tapitrisa ariary no fantatra fa naodin’i Tafs Ramahafadrahona, tao anatin’ny iray volana. Fitoriana an’ny dokotera Jean Pierre Rakotondranaivo izay nataon’i Tafs R. dia tsy mitombina ary tsy misy porofo. Nambaran’ny dokotera Jean Pierre fa tsy nangataka alalàna tany aminy i Tafs R. raha namadika io orinasa tany Andoharanofotsy io, fa avy hatrany dia navadikany SantyMad ilay izy ary lasa nisoratra taminy. Teo ihany koa ny fisolokiany ireo fitaovana maro izay an’ny orinasa Tasa, ka anisan’izany ny solosaina sy ny bioscan fitaovana fizahana aretina, sy ny kojakoja maro samihafa, nefa ny orinasa Tasa no nividy ireo fitaovana ampiasaina manerana ny site – n’ny Tasa ireo. Ankoatra izay ny fanafody izay nampiasain’ny Tasa dia novain’i Tafs R. koa ny etiketiny ary notapohany rano. Nanamafy ny dokotera Jean Pierre fa tsy tompon’andraikitra amin’izay mety hitranga na/sy hiseho ao amin’ny SantyMad izy, fa novany ny fanafody. Mbola nohamafisin’ny dokotera Jean Pierre hatrany fa azo antoka 100% ny fitsaboana izay hataon’ny orinasa Tasa. Mikasika ny ny fiakarana teny amin’ny fampanoavana dia voalaza fa arahimason’ny fitsarana isan’andro mandram-pivoaka ny didy i Tafs R. noho ireo fisolokiana nataony. « Tsy olana amiko », hoy ny dokotera Jean Pierre raha hanokatra toeram-pitsaboana i Tafs R. fa tsy mampiasa ny produit sy ny fanafodin’ny orinasa Tasa, fa mampiasa hafa. Tsiahivana, fa notendrena tale vonjy maika tao amin’ny orinasa Tasa, i Tafs Ramahafadrahona. Rehefa niasa 5 andro tao izy dia nampiasa ny fahefany ary nandroaka mpiasa sy ny mpitam-bola, ka lasa izy tenany no mandray vola tao amin’ny orinasa Tasa ary nilaza fa tanana ankavanana ao amin’ny mpitondra ambony i Tafs R. Mitentina 1.400.000 ariary ny vola naodina ary tsy nomeny ny orinasa Tasa. Rehefa niteny azy sy nitaky ny versement taminy ny dokotera Jean Pierre dia valiboraingina ary niakatr’afo izy. Ny Tasa Madagasikara dia ara-dalàna ny fijoroany ary manana taratasy ara-dalàna koa. Ny orinasa Tasa Madagasikara izay tantanin’ny dokotera Jeana Pierre Rakotondranaivo dia tsy nitso-drano an’ny SantyMad izay notanin’ny Tafs R Ramahafadrahona. Marihana, fa olona vita fiofanana sy nanao fikarohana no afaka manangana toeram-pitsaboana nentim-paharazana tahaka ny orianasa Tasa, hoy ny dokotera.

Vous aimerez aussi