Norobain’ny filoham-paritra lefitry ny orinasa « Tiako ny Ala Salama » atoa Nandiny Goavy Avoasy na Rico, tao Toliara, ny alatsinainy lasa teo ireo fitaovana rehetra an’ity orinasa ity. Tsy nionona tamin’izany ilay ranamana fa mbola noraofiny ihany koa ny entana rehetra tao Morombe izay an’ity orinasa ity ihany, ny talata maraina teo. Voalazan’ny PDG ny orinasa fa nitondra fiara mihitsy ireo mpangalatra raha nanatanteraka ny asa ratsiny. Voalaza fa teo am-pangalarana ireo fitaovana izy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Morombe. Nentina avy hatrany tany Toliara izy nanaovana ny fanadihadiana mikasika an’ireo entana izay nangalariny ireo. Araka ny fanazavana voaray, dia mitentim-bidy 30 tapitrisa ariary ireo entana nangalarin’i Rico ireo. Voalaza fa tao anatin’ny herintaona niasany tao amin’ity orinasa ity dia tsy nisy ny zavatra very ary manao tatitra an’ny PDG ny orinasa izy. Taty aoriana anefa, araka ny tatitra azon’ny PDG ny orinasa dia nisy nanao hetraketraka, nigafy ny orinasa ity olona ity. Voalazan’ny loharanom-baovao fa vao voatendry ho tale lefitra i Rico dia nanao « abus » sy nanodikodina ny volan’ny orinasa sy nangalatra ny fitaovan’ny orinasa izao. Nambaran’ny PDG ny orinasa ny dokotera RJP, fa efa ho 2 taona izao no nisokafan’ny orinasa ka nanendreny an’ity tale nivadika taminy ity. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana azy moa ny zandarimaria avy ao Toliara sy Morombe amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny PDG ny orinasa, fa nisy naniraka ity tale lefitra ity ary baiko avy aty Antananarivo izany, hoy izy, ka izao tadiavina ho potehina izao ny orinasany ary tsy vitan’izay fa hanaovana antsonjay sy hetraketrahina izy dokotera sy ny orinasa tantaniny. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha fangalarana entana an’ny orinasa « Tiako ny Ala Salama » ity.


