Isaorana ny filohampirenena Andry Rajoelina, fa tao anatin’ny fisainana sy fahendrena ny nananganana ny governemanta vaovao, hoy atoa Rakotomalala Henri na Riribe, filoha nasionaly ny gadra politika. Nambarany, fa mitaky vokatra tsara avy amin’ireo minisitra tsirairay ny filohampirenena. Ka anisan’izany ny fijerena ny vidin’ny jiro an’ny jirama, ny vary, ny menaka, ny PPN amin’ny ankapobeny. Tokony tsy hisy intsony ny fahadisoam-panantenana amin’ireo minisitra ary mitaky fahombiazana ny firenena amin’io governemanta vaovao io ny vahoaka manerana ny nosy, hoy izy. Nambarany, fa tsy tokony hiseho intsony ny fitavozavozana eo amin’ny fampandrosoana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Manomboka eto, hoy i Riribe dia tokony hisokatra amin’ny hery velona rehetra vonona hanohana azy amin’ny fifidianana 2023 ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Ny fikambanan’ny gadra politika na FEDEP dia manantena sy miangavy ny ministry ny toekarena sy ny vola ary fanjakana mba hanafaingana ny famoahana ny « décret d’application » mikasika ny zony sy ny fanonerana ireo niharam-boina, izay voafaritry ny lalàna 2016 037 tamin’ny 02/02/17 izay efa nijanona ela tao amin’ny ministera, satria efa ho 10 taona izao no niandrasana izany ny FEDEP. Izy ireo dia manohitra amin’ny endrika fanakorontanana, izay milaza azy fa tia tanindrazana ka hampihemotra ny firenena any amin’ny hantsana indray. Mandrisika ny fanjakana ihany koa ny FEDEP mba hanafaingana faran’izay haingana amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, izay antoky ny fitoniana ka hisian’ny fampandrosoana. Mankahery ny filoha Andry Rajoelina ny FEDEP hijoro hatrany, hanohy ny ezaka efa natombony ho fampandrosoana ny firenena ary maneho ny fahavononany. Marihana, fa hanaramaso akaiky ny asan’ny governemanta ny FEDEP ary hitsikera raha misy ny tsy fihetezan-draharaha amin’ny fitantanana ny firenena.
Filohan’ny AV7, nankahery ireo minisitra
Nankasitraka ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao ihany koa ny filohan’ny AV7, atoa Andriamahanina Haja. Nomarihany, fa tsy azo sarahina ny politika sy ny tekinisianina, ka saika hita taratra tao amin’ireo minisitra vaovao avokoa izany. Minisitra vonona ny hihaino ny hetahetam-bahoaka ary mahavaha olana amin’ny resaka vidim-piainana sy ny tsy fandriampahalemana no napetraky ny filohampirenena. Tsy tokony hisy hamitaka ny filohampirenena intsony ary tsy hanipy hoditr’akondro azy intsony ireo minisitra vaovao izay notendrena ireo, hoy hatrany ny filohan’ny AV7 no sady lehiben’ny tsenan’Isotry. Manameloka ny fikasana hamono ny filohampirenena ihany koa ny fikambanana AV7. Aleo miandry ny fifandimbiasam-pahefana, hoy izy, fa mifanohitra amin’ny soatoavina malagasy izany fikasan-dratsy izany. Matoky ny fitsarana ny AV7 amin’ny fanadihadiana mikasika ny « Appolo 21 » ary jereo izay tena ati-doha nikotrika iny tranga iny, hoy hatrany fikambanana AV7.


