GOVERNEMANTA VAOVAO : Tokony olona mahavaha ny olan’ny sosialy, hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka

Niditra tamin’ny fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Nitondra ny heviny mikasika izany ny Ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka, atoa Randriamanalintsoa Ihajason na Zàzà. Nambarany, fa tokony ho olona tekinisianina no ho tendrena minisitra ary mahavaha ireo olana izay ianjadian’ny vahoaka amin’izao, ka anisan’izany ny fiainan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny, ny fanarenana ny sosialim-bahoaka izay mampikaikaika amin’izao, ny fiakaran’ny vidin’ny entana, ny tsy fanarahan-dalàna ary ny resaka momba ny tsy fandriampahalemana. Nahitsy ity Ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka ity, fa tokony ho olona hahay hitantana ny valan’aretina covid-19 ihany koa no hapetraka amin’izany toerana izany, mba tsy hisy hakony any amin’ny ekonomika. Milà tantanina amin’ny ara-dalàna mantsy ny vola amin’izany valan’aretina izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Olona tekinisianina mahay mitantana ny resaka kere any atsimo koa no hapetraka amin’izay toerana izay ary mahay mihaino ny vahoaka mba tsy hivoaka sempotra izy ireo ary olona mahitsy sy marina ihany koa. Ankoatra izay, dia vita ihany koa ny lalana mirefy 3 km izay mialà eo amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka, ka hatreny amin’ny Ampahanimahitsy, lalana RIP 29. Marihana, fa vola mitentina 60 tapitrisa ariary no lany tamin’ny fanamboarana ity lalana vita godorao ity izay vola madiodio an’ny kaominina. Nomarihan’ny Ben’ny tanàna koa fa ny zomà 13 aogositra teo no fampidirana rano ho an’ny fambolena vary aloa, ka teny Sisaony no nampiditra rano ny Ben’ny tanàna. Ny 15 aogositra kosa ny fampidirana rano izay miainga eny Ikopa ka mankeny Antsampanana. Nisy ny canal teny izay nohatsaraina ary hisitraka rano ny tanimbary. Misy ihany koa ny fanamboarana ny fefiloha ny renirano. Mbola nisy ny “recommendation” avy any amin’ny Apipa, ny ministeran’ny fambolena, ny jirama, fa milà fanatsarana ny lakan-drano sy ny barazy ary ny fefiloha izay vao afaka mampiditra rano ary afaka mamboly ara-dalana ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, hoy ihany izy. Vola 80 tapitrisa ariary no ilaina amin’io fanamboarana ny barazy io, fa ny 30 tapitrisa ariary no voaangona tamin’ny vahoaka izay tamberimbidy ary mbola tsy nokitihina io vola io. Tsy ho vita amin’ity taona ity ny fanaovana io barazy sy fampidirana rano lehibe io, fa miandry amin’ny taona ho avy. Nomarihan’ny Ben’ny tanàna, fa mbola tsy nandray fanampiana CLD na budget ny kaominina, fa efa in-telo izy no nangataka fa mbola miandry, na fiara itaomana fako io na fitaovam-pambolena.

Vous aimerez aussi