Ho mariky ny fitiava-tanindrazana sy ny fihavanana ary ny firaisan-kina dia nanao fanambarana iombonana ny VAM na ny Vondron’ny Ambany tanàna Miray. Lavin’izy ireo marin-drano ny hisian’ny tetezamita intsony eto amin’ny tany sy ny firenena ary tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana eto Madagasikara intsony ity fikambanana ity. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny VAM, atoa Botomavo Laurent, dia manameloka ny fikasana hamono ny filoha Andry Rajoelina izy ireo ary mitaky ny hamoahana ny marina mikasika izany. Leo korontana sy ady lahy politika izahay Vam. Miantso hatrany ny hanandratana ny maha Malagasy sy hiarovana ireo soatoavina sy fomba amam-panao Malagasy rehetra izahay, ka fotoana hanentanana ny tsirairay izao mba hiasa sy handray andraikitra eo anivon’ny tokantranony. Mahatsapa izahay Vam, hoy ny fanambarana hatrany, fa ny ezaka isan-tokantrano ihany no vahaolana amin’ny fampandrosoana ary tsy maintsy miasa ny tsirairay vao mihinana. Hiroso eo amin’ny fanatsarana sy ny famoronana asa ho an’ny tsirairay izahay ary hiaro azy ireo ka hanatsara ny fiveloman-tena hatao fa tsy hangataka lava, indrindra fa ny mpikambana ato amin’ny Vam. Hijoro hatrany hanatsara ny fanatanjahan-tena, ny fampitaovana sy ny firahalahiana ary hampiray sy hampihavana azy ireo ny fikambanana. Hivondrona ao anatin’ny fihavanana izahay Vam ary hijoro hifananatra hatrany, hiray hina, hampihavana, hifanampy sy hifanasoa ka hifanantona hatrany na ankafaliana na ankaratsiana. Hiaro ny zo maha olombelona sy fanajana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ny Vam. Manohana tsy misy fepetra ny ezaky ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohampirenena Andry Rajoelina izahay Vam ary haneho ny fitiava-tanindrazana tena marina sy fihavanana Malagasy.


