BORIBORINTANY FAHATELO : Miroso amin’ny fanisana ny trano sy toeram-ponenana ny CUA

Efa miroso tanteraka amin’ny fanisana ny trano sy ny toeram- ponenana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ka ny boriborintany fahatelo miaraka amin’ny delege sy ny mpiasa no manatanteraka an’izany, raha ho an’ny boriborintany fahatelo manokana. Nambaran’ny delege, atoa Ramiandrisoa Lalaina fa efa herinandro teo izy ireo no nanomboka nanao izay fanisana izay ary mitohy amin’ity herinandro ity. Mikasika ireo tetikasa madinika indray dia efa miroso tanteraka amin’ny fanamboarana ny lalana izay mirefy 45 metatra ny boriborintany fahatelo ary efa vita ihany koa ny sarona dalle midadasika etsy Betongolo. Efa miverina amin’ny laoniny ihany koa ny mariazy alakamisy sy ny asabotsy, ka noferana 35 ny isan’ny mpanatrika ary izay ihany no zakan’ny efitrano, hoy hatrany ny delege ary eo ihany koa ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Ankoatra izay, efa vita ihany koa ny fifanentanana ireo katitakely amin’ny baolina kitra, izany hoe ny fijerena ireo zandry kely izay alefa hiofana amin’ny baolina kitra.

Vous aimerez aussi