KAMBOTIN’NY ZANDARY AO ARIVONIMAMO : Notoloran’ny « Association Entraide Vendée Itasy » drap, servieta ary house

Nahazo fanampiana avy tamin’ny « Association Entraide Vendée Itasy » lambam-pandriana, servieta, housse ireo zaza kambotin’ny zandary ao Arivonimamo. Nambaran’ny kapiteny Randriamanjato Lucien izay mitaiza ireto kamboty ireto, fa zava-dehibe ho azy ireo no nahazoana izao fitafiana sy drap ary kojakoja samihafa izao ary nankasitraka ny fikambanana izay nanolotra izany fanampiana izany ity manamboninahitra ity. 4 carton ireto fanampiana azon’ny kambotin’ny zandary izao, ka ity manamboninahitra ity no nandray izao fanampiana izao no sady manala ny fahasahiranana ihany koa, hoy izy.

Nahazo ny anjarany ihany koa ny teo anivon’ny kaominina Arivonimamo, izay notoloran’ny fikambanana izao. Karazana lamba toa ny drap, ny lamba-databatra no azony. Nankasitraka ity « Association Entraide Vendée Itasy » ity ihany koa ny Ben’ny tanànan’Arivonimamo ary naneho fisaorana tamin’ny atoa Macler Albert izay solotenan’ny « Association Entraide Vendée en France » atoa Vincent de Paul izay Ben’ny tanàna. Nambarany, fa efa nanolotra maillot sy baolina ho an’ireo tanora mpitia baolina kitra ny fikambanana.

Nahazo ny anjarany tamin’izao ihany koa ny CHDR Hôpitaly ao Arivonimamo, ka karazana lamba 2 carton niaraka tamin’ny fanafody no azon’ny hopitaly. Ity « Association Entraide Vendée en France » ity no mpanome ny fitaovana, fa ny « Association Entraide Vendée Itasy » no mandray ny fanampiana ary mizara an’izany ho an’ireo olona sahirana. Tamin’ny taona 2000 no efa nanao fangatahana ny Ben’ny tanàna izay mpikambana feno ao amin’ny « Association Entraide Vendée Itasy », fa ny Aprily 2021 vao tonga ny fanampiana, noho ny fikatonan’ny sisitany. Marihana, fa manao activité maro isan-karazany ny « Centre Ma Nature », izay misy ny birao foiben’ny « Association Entraide Vendée Itasy ». Marihana, fa tsy mandoa vola ireo ankizy tonga mamaky boky ao amin’ny Bibliotheque, mijery sinema ary ny manao solosaina (internet). Marihana etoana, fa fikambanana mpanao asa soa ny « Association Entraide Vendée Itasy ».

Vous aimerez aussi