MPANAKANTO LEWAPY : Mivoy ny « Salegy migôdro »

Andriamanampy André Théodule no anarana fenon’ity mpanakanto Zanak’i Mampikony ity. Ao anatin’ny taom-pisandratana ny tovolahy ankehitriny ary manaraka ny sampam-pianarana lalàna. Ny « Lewapy » izay solonarana efa nentiny tamin’ny fahazaza no nofinidiny nisalorana hamakivakiana ny lalan-tsarotry ny mozika.

Mpanakanto tanora nametraka fanamby ny amin’ny hanandratana sy hametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny mozika sy fomba fandihy nentim-paharazana « Salegy migôdro » mampiavaka ny ilany avaratry ny Nosy iny. Nomarihan’i Lewapy fa manana ny hanitra ho azy ary tsy mety lany manja ny mozika nentim-paharazana malagasy koa mila ampahatsiahivina ireo taranaka ny fisian’izy ireny. Tsy ny mahafinaritra ihany no azo tovozina avy amin’ireny mozika malagasy toto-tanana ireny, hoy hatrany i Lewapy fa eo ihany koa ny soatoavina sy ny hafatra mafonja raiketin’ireo tononkira.

Mikaroka, manatsara hatrany

Ho an’i Lewapy tsy mijanona hatreo amin’ny famohazana ny « Salegy migôdro » ny sehatrasany fa mipaka hatrany amin’ny fampiarahana ny mozika nentim-paharazana amin’ny ankehitriny toy ny « Afro ». Ny ahafahana misarika ireo taranaka ankehitriny hankafy ny « Salegy migôdro no antony, hoy hatrany ny tovolahy. Tombony ary ahafahany mivelatra hatrany eo amin’ny fikirakirana ny mozika ny naha mpikambana sy mpitarika Antokom-pihira azy efa an-taonany maro.

Ny sanganasa « Velo » efa vita rindran-tsary no nentin’i Lewapy nambaboana ny fankafizan’ireo mpankafy. Hafatra marolafy toy ny maha sarobidy ny tso-drano, ny tokony hananana fahamailoana hatrany eo amin’ny fiainana no asongadin’i Lewapy anatin’ity vazony ity. Manavia manavanana eo amin’ny lafiny famoronana sy fandrindrana hira i Andriamanampy André Théodule. Raha fintinina, ny hanala voly, ny hanabe ary ny hampita hafatra amin’ny alalan’ny filalaovana ny « Salegy migôdro ». Ireo nanosika an’i Lewapy miroso lalina hatrany amin’ny fikirakirana ny kanto an-kira sy mozika mifaka amin’ny nentim-paharazana laroina fanatsarana hatrany hanaraka vanimpotoana.

Vous aimerez aussi