« FIANAKAMS HIP HOP » : Hiazo an’Antsirabe

Raikitra ! Tsy ho diso anjara ireo mpankafy ny mozika rap any Antsirabe. Hoentin’i Mito an-tsehatra any Bira ny vokatra vaovao be amin’ny endrika kapila mangirana « Fianakams Hip Hop ». Seho hatao, ao amin’ny trano fisakafoana sy filanonana « La palette », ny Sabotsy 28 Aogositra ho avy izao.

Raha tsiahivina, mandia ny faha- 22 taona nilalaovany gadona rap i Mito. Mampiavaka azy ilay tononkira mivantana sy azo ambara ho mahitsy toraka mihitsy aza rehefa hanambara sy hampita hafatra ny tovolahy. Nomarihany fa tohin’ny fampahafantarana ny vokatra vaovao « Fianakams Hip Hop » izay notanterahana teto Iarivo ny fiandohan’ny volana aogositra teo ary nahitana fahombiazana ity hotanterahana any an-drenivohitry Vakinankaratra ity.

Anjara biriky entina hanabeazam-boho ny mozika rap eto Dago ihany koa ny hetsika tahaka izao. Ny mozika rap izay toa ahitana « ady mangatsiaka » sy disadisa ary anjakan’ny « Samy mandeha samy mitady » ihany tato ho ato eo amin’ireo samy mpiangaly izany eto an-tanàna. Inoana fa efa an-dalam-piravonana ireo rehetra ireo mba hahafahana manabe voho ny Rap eto Madagasikara. Tsy iadian-kevitra tokoa mantsy fa maro amin-dRamalagasy no mankafy ny Rap izay tsy mifanalavitra loatra amin’ny « Jijy » nentim-paharazana. Ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana hatrany no hahazoam-bokatra tsara fa tsy ny fampanjakana ny « Zarazarao anjakana » izay efa hita fa mamarina an-kady antsika mianakavy tahaka izao.

Vous aimerez aussi