Naneho ny heviny mikasika ny firafitry ny governemanta vaovao ny filohan’ny fikambanana AV7 atoa Andriamahanina Haja, fa afa-po tamin’ireo mpikambana vaovao notendren’ny filoha Rajoelina Andry ny fikambanana. Saika mpanao politika sy tekinisianina avokoa no mandrafitra izany, ka nankasitraka ny filohampirenena ny fikambanana. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny AV7, dia afaka hanatanteraka ny vina sy ny veliranon’ny filohampirenena ireo ministra vaovao ireo ao anatin’ilay hoe “Madagasikara Mandroso”. Ny zavatra takiana amin’izy ireo ny hijerena ny sosialim-bahoaka ary tokony midina ifotony mijery ny olana amin’izany izy ireo, indrindra fa ny fampidinana ny vidin’ny vary. Jeren’ireo mpikambana vaovao ireo ihany koa ny vidin’ny jiro, indrindra fa ny fahatapahan’ny jiro tany an-trano nandritry ny fihibohana ireny na “coupure d’electricité”. Jereo ihany koa ireo lalana ratsy simba rehetra manerana ny nosy, ny tsy fandriampahalemana, izay lasa nahazo vahana. Izany hoe mitaky vokatra azo tsapai-tanana amin’ireo ministra vaovao ny fikambanana AV7 ary mba tsy hanipy hoditr’akondro an’ny filohampirenena Andry Rajoelina koa. Mangataka amin’ny filoha Rajoelina Andry koa ny AV7 mba hijerena ny tombotsoan’izy ireo izay tapaka taorian’ny Tetezamita, fa amin’izao nisy mpikambana iray lavo, nefa tsy ampy ny entina nanampy izany. Marihana, fa 217 sisa ireo mpikambana ao fikambanana AV7, hoy ny filohany Andriamahanina Haja. Nomarihany, fa tamin’ny fitondrana Tetezamita dia nahazo fanampiana 200.000 ariary isam-bolana ny mpikambana AV7, fa rehefa tonga ny fitondran’ny HVM dia nofoanany ireo fanampiana ary nosoloiny asa, nefa nisy ireo mpikambana tsy tratra antso no efa ampy taona. Izany no angatahin’izy ireo ny onitra amin’ny Filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao.


