Nanao hetsika ary nitokona nanolona ny biraon’ny fokontany Manakambahiny, ny mponina tao an-toerana ny alatsinainy lasa teo. Nilanja sorabaventy no sady nisioka kiririoka izy ireo. Ny antony fitokonana, dia ny fanesorana ny mpitam-bolan’ny fokontany, noho izy tsy mahay mandray olona no sady manao vava be sy miteny ratsy mihitsy aza. Hatramin’ny sefo fokontany aza dia tsiratsirainy no sady hanaovany vava koa. Raha tsy miala amin’ny toerana io mpitam-bola io dia hitohy ny fitokonana hataon’ny vahoaka ao amin’ny fokontany. Nidina tany an-toerana ny kaomiseran’ny boriborintany faharoa, ny lehiben’ny distrika ary ny delege atao Rabemananjara Charmant d’Assise. “Arreté” monisipaly no nanendry azy ary halana amin’io ““Arreté” io mpitam-bola io, fa tsy tapako izaho samy irery izany”, hoy ny delege. Nomena herinandro kosa ireo mponina mba tsy hanao fitokonana fa entina any amin’ny Ben’ny tanàna ny fangatahan’izy ireo, ary ny Ben’ny tanàna no tompon’ny teny farany. Ankoatra izay, dia nanao “operation” sarety mpivarotra akondro atosi-tanana ny delege, ny alarobia lasa teo, ka sarety 3 tsy ara-dalana no nogiazana tamin’io. Voalazan’ny delege, fa voaroaka tany Analakely, Behoririka, Anosibe, Andravoahangy avy any ireo mpivarotra akondro amin’ny sarety ireo, ka tonga mivarotra ao amin’ny Boriborintany faharoa ary mitady toerana hivarotana. Manimba ireo mpivarotra ara-dalana izy ireo, hoy ny delege. Eo koa ny fitohanan’ny fiara, sns, koa izany no nanaovana io “operation” io ary mbola hitohy amin’ny alarobia izao koa io hetsika sarety mpivarotra akondro io. Eo koa ireo mpivarotra fasika sy gravion eny amin’ny sisi-dalana sy trottoir eny Tsiadana sy Ampasanimalo iny. Amin’ny alarobia ihany koa io “operation” fasika io, hoy hatrany ny delege. Mirongatra izay tsy izy ireo mpivarotra ary miteraka fifamoivoizan’ny mpandeha an-tongatra koa hanaovana izao hetsika izao.


