GROUPE « TAF ‘YRAY » : Manandratra ny hira evenjelika

Mila apetraka amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny hira evenjelika mba tsy ho kitoatoa sy hanaraka ny fenitry ny kanto ny fomba hanehoana sy hanolorana azy ho an’Andriamanitra sy ireo mpankafy. Ho fanatanterahana izany no nanainga an’i Rochel Randrianoelina nanangana ny Groupe « Taf ‘ Yray ».

Ivondronan’ireo Matihanina

Tsy ho mora ny ahafahana manatratra ny tanjona napetraka, hoy hatrany i Rochel Randrianoelina koa tsy maintsy ireo efa matihanina amin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika ary ny dihy no navondrona. Anisan’ny nitantsoroka tamin’ny famolahana ny feon’i Sariaka, Safidy, Roso ary i Sahondra mpikambana eo anivon’ny tarika ny Coach Hary Rapanoelina. Mifandrimbona eo amin’ny fitendrena zavamaneno sy ny fandrindrana i Tax Razafindrakoto, Lanto Andrianatoandro, Jack Thierry. I Mika Rasoloarimanana no mpamorona ireo hira. Ny « Natural sound » no mikirakira ny lafiny fandraisam-peo. I Naly no misahana ny lafiny dihy sy fampiofanana ireo mpiangaly izany.

Mahafehy ny gadona rehetra misy ny tarika ary afaka manajary mozika vaovao ihany koa izay notrandrahana avy amin’ny asa fikarohana. Anisan’ny azo ambara ho toy ny penina nentin’ny Groupe Taf ’ Yray nanoratra ny anaran’izy ireo ao anatin’ny Diarin’ny kanto ka tsy ho voakosoka ilay vazo « Tsy nanenina ». Maro no babo avy hatrany raha vao nahatazana ny rindran-tsary teny anivon’ireo haino aman-jery. Amperiny amin’ny fiketrehana ny kapila mangirana laharana voalohany izay hiseho amin’ny endriny telo (VCD, DVD, Audio) ankehitriny ny Groupe Taf ‘ Yray. Raha fintinina, vonona hanandratra avo ny hira evenjelika ny tarika amin’ny alalan’ny fampiharana ny fomba fiasa matihanina sy mivelatra.

Vous aimerez aussi