435 ny isan’ny tranga vaovao androany ka ny 401 dia teto andrenivohitra avokoa, 20 tao Alaotra Mangoro, 5 tao Atsimo Andrefana, 3 Analanjirofo, 3 Fianarantsoa, 2 Faritra Anosy ary 1 tao Ifanadiana. Miisa 974 ny fitiliana nahitana ireo voa ireo.
Catégorie : Samihafa
CORONAVIRUS : Mitroatra ny tarehimarika : miampy 341 indray ny eto Antananarivo
361 indray ny tranga vaovao rehetra voatily androany, ka ny 341 dia teto Antananarivo avokoa. 16 tao Antsirabe, 1 tany Andapa ary ny ambiny tsy voafaritra. Fitiliana miisa 816 moa no nahitana ireo voa ireo.
CORONAVIRUS : Maro ireo voa, betsaka koa ny sitrana
Miisa 209 be izao indray ny olona vaovao voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus androany, ka teto Antananarivo avokoa izy ireo. Izany hoe miisa 3782 ireo voa hatramin’izay.
CORONAVIRUS : Mahavelombolo ny isan’ireo sitrana : 574
Maro ireo voan’ny tsimokaretina coronavirus no sitrany androany. Nahatratra 574 ny isan’izy ireo.
CORONAVIRUS : Mbola 200 mahery no voa teto Antananarivo androany
222 indray no voatily androany ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ka ny 210 tamin’ireo dia teto Antananarivo avokoa, 3 Vakinankaratra, ary nisy koa ny tany Toamasina, Itasy, NosyBe ary Mahajanga.
CORONAVIRUS : Tranga vaovao 303 ny teto Analamanga
Raha 309 ny tranga vaovao, araka ny fanambarana ofisialy androany alatsinainy dia ny 303 no teto amin’ny Faritra Analamanga, 2 tany Atsinanana, 2 menabe ary 2 tany Itasy.
FIHIBOHANA ETO ANALAMANGA : Miaramila 4 000 no hanara-maso
Miaramila miisa hatrany amin’ny 4 000 no hanara-maso ny fihibohana hatao eto amin’ny Faritra Analamanga manomboka anio. Ny 500 amin’izy ireo no hisahana ny fampanarahana ny fepetra tokony hataon’ny olona. Mbola misy koa anefa ny miaramila miisa 3 000, izay hatao fiandry ka efa vonona amin’izay ilana azy rehetra.
JENERALY RAVALOMANANA RICHARD : Tsy hilefitra amin’ny tsy fanajana ny fepetra sy tsy fitondrana arovava
Tsy ny fanadiovana intsony no sazy miandry an’ireo olona izay tratra, ka tsy manao arovava, fa mety hiafara amin’ny fampidirana “violon” no hatao raha tsorina ny resaka, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Richard Ravalomanana.
FITAMPOHA : Hotanterahina anio 6 Jolay 2020
Raikitra fa ho tanterahina ao amin’ny Doany Miarinarivo efadahy Manankasina, ao amin’ny Fokontany Tsararano Ambony, Distrikan’i Mahajanga I, anio 6 jolay ny Fitampoha na ny fanompoam-be izay fomba amampanaon’ny foko Sakalava Boeny.
TAKSIBE : Tsy afaka miasa mandritry ny 15 andro
Araka ny fanazavan’ny ministry ny fitaterana, dia miato manomboka anio ny sehatry ny fitateram-bahoaka “Urbain” sy “Suburbain”, mandritry ny tapa-bolana. Ny fiarakaretsaka irery ihany no afaka miasa hatramin’ny 2 ora folakandro raha mitatitra olona.
