Mirongatra ny tarehimarika raha ny tatitra momba ny isan’ny olona voan’ny coronavirus androany, satria mitontaly 484 izany, ka ny 433 dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa, 20 faritra Anosy, 8 Analanjirofo, 7 Fianarantsoa, 5 Atsinanana, 4 Maevatanana, 3 Arivonimamo, 2 Bongolava, 1 Toliary ary 1 hafa tsy voafaritra.
Catégorie : Samihafa
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY : Nodimandry koa ny Pastora Rabenorolahy Benjamin
Nodimandry ny marainan’ny 14 jolay 2020, teo amin’ny faha-80 taonany, teny amin’ny hopitaly Ambohibao, ny Pastora Rabenorolahy Benjamin.
CAN 2021 : Ahemotra amin’ny taona 2022
Efa ela no nandinihana ny mety ho fipetraky ny fanatanterahana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra andiany manaraka tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19 izao ho an’ny kaonfederasionina afrikanina na ny CAF.
CORONAVIRUS : Tsy mitsaha-midangana ny eto an-drenivohitra : 252 androany
Tsy mbola mitsaha-mitombo ny isan’ny mitondra ny tsimokaretina eto Antananarivo.
FANANAN-TANY : Tsy andoavam-bola ny fikarakarana taratasy famindram-pananana
Tinapaka nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra, fa ny fikarakarana taratasy momba ny famindrana ny fananan-tany avy amin’ny fandovana dia tsy handoavam-bola hatramin’ny 31 desambra 2020, ary tsy hisy ny fampiharana sazy amin’ny fikarakarana fanoratana na famindrana fananan-tany hatramin’io daty io.
RANO FISOTRO MADIO : Hidina ho 20 Ariary ny bidon 20 litatra manomboka amin’ity volana Jolay ity
Mbola vao ny 35 % – n’ny mponina eto amintsika no misitraka rano fisoro madio raha betsaka. Ho an’ny mponina an’Antananarivo renivohitra manokana dia mbola maro no tsy manana izany ao an-tokantranony, fa milahatra rano eny amin’ny paompy.
ANTENIMIERA SY NY CORONAVIRUS : Senatera 14 sy Depiote 11 no voa
Loholona na senatera miisa 14 sy Solombavambahoaka miisa 11 no voalaza fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus.
CORONAVIRUS : 2 indray no maty, 213 no voa
2 indray no namoy aina noho ny tsimokaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Ny 1 tany Boeny ary ny 1 teto Antananarivo. Mahatratra 37 izany ny isa ofisialin’ny olona lavon’ity aretina ity teto amintsika.
FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA : Nodimandry ny Filohany, ny Pastora Rakotonirina David
Nodimandry teo amin’ny faha-58 taonany ny Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) amperinasa, ny Pastora Dr. Rakotonirina David.
CORONAVIRUS : Tsy mbola midina ny voa : 289 androany
Tahaka ny tato anatin’ny andro vitsivitsy dia tsy mbola midina loatra ny isan’ireo voan’ny coronavirus.
