CORONAVIRUS : Mitombo ny maty (10), mirongatra be ny voa (484)

Mirongatra ny tarehimarika raha ny tatitra momba ny isan’ny olona voan’ny coronavirus androany, satria mitontaly 484 izany, ka ny 433 dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa, 20 faritra Anosy, 8 Analanjirofo, 7 Fianarantsoa, 5 Atsinanana, 4 Maevatanana, 3 Arivonimamo, 2 Bongolava, 1 Toliary ary 1 hafa tsy voafaritra.

Miisa 6 089 izany ireo voa hatrizay.

Niakatra ihany koa ny isan’ireo maty satria nisy 10, ka 8 ny teto Analamanga, 1 Antsiranana ary 1 Atsinanana. Tafakatra 53 izany ireo nodimandry.

Miisa 140 kosa ireo sitrana, izany hoe miisa 2951 ny tontalin’izy ireo.

3 085 kosa ireo an-dàlam-pitsaboana, ka niakatra 61 ireo manana fahasarotana.

Nahatratra 31 296 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.

Mirongatra izaitsizy

Mirongatra izaitsizy ny isan’ny olona lasibatr’ity tsimokaretina ity tao ho ao, raha ny eto Antananarivo no asian-teny. Mitombo ny maty, mirongatra ny voa, filaharambe ny eny amin’ny tobim-pitsaboana samihafa,…

Maro ny marary mitaraina satria tsy mahafapo loatra ny fandraisana azy ireny. Ampirisihana fatratra ny fitsaboana any an-tokantrano, izay voalaza fa nahasitrana ny maro.

Tsy misy anefa ny fifanomezan-tsiny satria mifangongo eto an-drenivohitra eto avokoa ny mpitsabo. Vitsy dia vitsy ny miasa any amin’ny Faritra noho ny antony maro samihafa, toy ny tsi-fandriampahalemana, ny fianaran’ny ankizy, ny toeram-ponenana tsy lavorary,…

Efa nasian-teny ihany ny fandrisihana ireo mpitsabo hieli-patrana manerana ny Nosy kanefa mijanona ho resabe ihany izany hatreto.

Ny fanafodiny dia ny ezaky ny tsirairay avy samy miaro ny tenany araka izay tokony ho izy.

Vous aimerez aussi