Nodimandry ny marainan’ny 14 jolay 2020, teo amin’ny faha-80 taonany, teny amin’ny hopitaly Ambohibao, ny Pastora Rabenorolahy Benjamin.
Efa nisahana ny andraikitra maha-filohan’ny FLM izy teo anelanelan’ny taona 1989 ka hatramin’ny 2004.
Anisan’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana koa izy.
Ny taona 2008 izy dia voatendrin’ny Filoham-pirenena ho Senatera teo anivon’ny Antenimierandoholona na dia tsy nanana antoko politika aza.
Very raimandreny roa tao anatin’ny elanelam-potoana fohy ny FLM.
Ny mpiara-miasa eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia mirary fiononana ho an’ny ankohonany ary mampahery ny fianakaviamben’ny FLM hatrany.


