Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny governora any an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana.
Catégorie : Samihafa
CORONAVIRUS : Mitombo ny tarehimarika : miampy 346 indray ny eto Antananarivo
382 indray ny tranga vaovao rehetra voatily androany, ka ny 346 dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Nisy koa anefa 9 tany amin’ny Faritra Atsinanana, 7 Matsiatra Ambony, 3 Itasy, 1 tany Analanjirofo,…
ANTOKO OTRIKAFO : “Aleo ny fokontany no hampizarana fanampiana isan-tokantrano”
Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra fa amin’ity resaka Covid-19 ity, ny antoko politika Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, Elia Rabevahiny. Tsy navalona akory ny fitakiana ireo nosy Malagasy fa mitohy ny tolona ary tsy hihemotra izahay, hoy izy.
FIANGONANA LOTERANA MALAGASY : Nanao antso fanairana
Tao anatin’ny herinandro no namoizan’ny Fiangonana Loterana Malagasy na ny FLM ireo Raiamandreny am-panahy roa dia ny Filohan’ny fiangonana am-perinasa sy ny teo aloha.
CORONAVIRUS : 378 indray no voa vaovao
Mbola maro hatrany ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus satria mbola 378 no voatily androany.
NAINA ANDRIANTSITOHAINA TENY ANOSIBE : “Hiala mora ianareo sa kamiao no hanala anareo ?”
Nidina tampoka tsy nisy fampandrenesana nanara-maso ny tsena teny amin’ny Boriborintany faha 4 eto Antananarivo Renivohitra, toa ny teny Anosibe ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.
MORONDAVA : Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly
Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan’ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo, fepetra izay nihatra nanomboka ny alahady 5 jolay 2020 mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 ao amin’ny Faritra Menabe.
LALANA MIFEHY NY PAC : "Mila hazavaina amin’ ireo mpisehatra nasionaly rehetra"
Ireo fiovana lehibe naroson’ ny Antenimieram-pirenena dia ny fanesorana ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ara-bola izay eo ambanin` ny fiahian`ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny “Pôle Anti-Corruption “ na PAC, ny fanafoanana ny fanagiazana ireo fananana tsy ara-dalàna alohan’ ny fiampangana, izany hoe tsy giazana miaraka amin’ny fisamborana ilay olona voarohirohy ny fananany fa miandry izay fanapahan-kevitry ny fitsarana.
GUY RIVO RANDRIANARISOA : “4 volana ve tsy mahavidy fandriana manara-penitra…”
Naneho ny heviny tao amin’ny tambajotran-tserasera fasiboky Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, depiote no sady minisitra teo aloha ary mpikambana ao amin’ny Antoko TIM manoloana ny lentan’ny toeram-pandraisana ireo mararin’ny coronavirus eto Madagasikara,
AMBATOMIRAHAVAVY – IMERINTSIATOSIKA : Tsy mahazo mitatitra olona ny Moto sy ny Bisikileta
Taorian` ireo fepetra noraisina tamin`ny filankevitry ny minisitry ny sabotsy lasa teo, manoloana ny fihanaky ny aretina Covid-19, dia nanapaka ny teo anivon`ny faritra Itasy fa voarara ny fitaterana olona eo anelanelan` Ambatomirahavavy sy Imeritsiantosika.
