Ireo fiovana lehibe naroson’ ny Antenimieram-pirenena dia ny fanesorana ny fandikan-dalàna ara-toekarena sy ara-bola izay eo ambanin` ny fiahian`ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny “Pôle Anti-Corruption “ na PAC, ny fanafoanana ny fanagiazana ireo fananana tsy ara-dalàna alohan’ ny fiampangana, izany hoe tsy giazana miaraka amin’ny fisamborana ilay olona voarohirohy ny fananany fa miandry izay fanapahan-kevitry ny fitsarana. Eo ihany koa ny fampihenana ny fe-potoam-piasana sy fibaikoan`ny mpandrindra nasionaly sy ireo mpitsara. Ireo teboka telo lehibe ireo dia mendrika kosa fampahafantarana sy fanazavana amin`ireo mpisehatra nasionaly rehetra, hoy ny komity momba ny fiarovana ny fahitsiana (CSI). Raha tsiahivana, ny 2 jolay lasa teo dia nandany, taorian’ ny fanitsiana, ny volavolan-dalàna mifehy ny rafitra misahana ny ady amin` ny kolikoly na “Pôles Anti-Corruption” ny teo anivon` ny Antenimieram-pirenena. Ny 3 jolay kosa dia nanapa-kevitra ny hampihemotra ny fandinihana azy amin’ ny fivoriana parlemantera manaraka ny teo anivon` ny Antenimierandoholona.


