MORONDAVA : Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan’ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,  fepetra izay nihatra nanomboka ny alahady 5 jolay 2020 mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 ao amin’ny Faritra Menabe. Mikatona avokoa ireo fiangonana efatra ao amin’ny Distrikan’i Morondava dia ny fiangonana Loterana, Katolika, FJKM ary Anglikanina. Mitsahatra ny zotra mampitohy an’Antsirabe sy Morondava, afaka mandeha kosa ireo fiara mpitondra entana ilain’ny mponina andavanandro. Miverina ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina na « Couvre-feu » izay manomboka amin’ny 10ora alina ka hatramin’ny 4ora maraina. Marihana, fa nodimandry, ny alin’ny sabotsy lasa teo ny filohan’ny FLM no sady filohan’ny FFKM amperin’asa.

Vous aimerez aussi