Nidina tampoka tsy nisy fampandrenesana nanara-maso ny tsena teny amin’ny Boriborintany faha 4 eto Antananarivo Renivohitra, toa ny teny Anosibe ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Nandeha tamin’ireny môtô lehibe ireny moa ny Ben’ny tanàna fa tsy tamin’ny alalan’ny fiara. Izy mihitsy no niteny tamin’ireo mbola minia mivarotra tsy mety alamina hoe : “na ianareo miala moramora na kamiao ve no tianareo hanala anareo ?” hoy izy. Tsy tazana teny akaikiny teny intsony ry mpaka 19 sy ny mpanao tatitra vilana nampiady ny ekipa tamin’ny Ben’ny tanàna, asa efa manomboka fantany ireo be vinany eto amin’ny tsena eto. Samia velon’aina fa hifankahita fa an’ialahy isany ny mandroso, an’ny fahamarinana ny miverina, hoy ny depiote Rossy na Rahasimanana Paul Bert nankasitraka ny fihetsiky ny Ben’ny tanàna. Tsy alikalahin’ialahy isany ny Ben’ny tanàna ka sady hikabary no hitety tsena fa misy raha hitany ao, hoy ny fanehoan-kevitra somary masiatsiaka nataon’io Ben’ny tanàna io. Toa naneho fa misy olona mpiara-miasa na niara-niasa tamin’ny Ben’ny tanàna tsy mifankahazo tamin’ity depiote ity.


