CORONAVIRUS : 378 indray no voa vaovao

Mbola maro hatrany ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus satria mbola 378 no voatily androany. Mbola hanjakan’izny hatrany ny Faritra Analamanga, izay nahitana tranga 231, Atsimo andrefana 5 (Toliara I : 4 , Toliara II : 1), Boeny 14, Analanjirofo 6 ( Fenerive Est 3, Soanierana Ivongo 3), Atsinanana 1, SAVA 5, Haute Matsiatra 3, Sofia 3 (Mandritsara 2, Antsohihy 1), Vatovavy Fitovinany 8 (Manakara), Diana 41 ( Antsiranana 22, Ambilobe 2, Ambanja 11, Nosy Be 6), Alaotra Mangoro 61 ( Ambatondrazaka 35, Moramanga 25, Amparafaravola 1).

Miisa 6467 izany no voa hatrizay.

157 kosa ireo sitrana ka ny 139 tamin’ireo dia nanaraka fitsaboana tao an-trano avokoa. Miisa 3108 izany no sitrana hatramin’izay.

3305 kosa ireo mbola tsaboina ka 86 amin’ireo no manana fahasarotana ara-pisefoana.

1 kosa no maty, ka mitontaly 54 ny isan’izy ireo.

Ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay kosa dia 31 774.

Mitombo ny mandray marary

Araka ny fampitam-baovao dia efa ho vonona handray marary ny etsy amin’ny lisea teknika Alarobia sy ny Lapan’ny Fanatanjahantena.

Efa mandray ireo manana soritraretina ihany koa ireo tobim-pahasalamana ifotony (na CSB) na dia maro aza no diso fanantenana satria tsy ny fanafody raisina eny dia maimaipoana avokoa. Tsy afaka maka fanafody fiarovana ihany koa ny vahoaka fa ireo izay manana soritraretina ihany no mahazo.
Izay mba te-hitandrina fahasalamana izany dia tsy maintsy voatery hividy eny amin’ny farmasia.

Izay tsy manan-katao izany aloha dia aleo mionona amin’ny fitandremana ka ny sarontava no hamafisina.

Vous aimerez aussi