FIANGONANA LOTERANA MALAGASY : Nanao antso fanairana

Tao anatin’ny herinandro no namoizan’ny Fiangonana Loterana Malagasy na ny FLM ireo Raiamandreny am-panahy roa dia ny Filohan’ny fiangonana am-perinasa sy ny teo aloha. Tontosa afak’omaly teny Ambohijanaka ny fandevenana ny Pastora ny Dokotera Rabenorolahy Benjamin. Nilaza ny Fiangonana, fa namoy ny ainy vokatry ny covid-19 ihany koa ny Solontenan’ny Misiona sinoa eny Behoririka izay miara-miasa amin’ny FLM. Nanao fanentanana mba ho mailo sy nitondra torohevitra ny fiangonana, ka isan’izany ny “ady gasy”, toy ny fisotroana rano mamay miaraka amin’ny sakamalaho atao rano fisotro. Rehefa tonga any an-trano dia aleo tonga dia mievoka, hoy ny toromarika. Miantso ny tokony hanampian’ny fanjakana ny Hopitaly FLM Ambohibao ny Fiangonana satria maro ny olona mitsabo tena tonga manantona eny an-toerana, saingy tsy maharaka ny fitaovana.

Vous aimerez aussi