Naneho ny heviny tao amin’ny tambajotran-tserasera fasiboky Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, depiote no sady minisitra teo aloha ary mpikambana ao amin’ny Antoko TIM manoloana ny lentan’ny toeram-pandraisana ireo mararin’ny coronavirus eto Madagasikara, indrindra ny fampitaovana. “Efa 4 volana mahery isika no ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Raha ny serasera hitako hatramin’izay sy ny vola azo hatramin’izay dia efa 400 tapitrisa dolara mahery dia everiko fa mba zavatra toa izao no natolotra kinanjo diso ny fiheritreretako fa hay fandriana “dortoir” fotsiny ilay izy. Marihako fa eo amin’ny 20.000 dolara ny fandriana handraisana marary iray manara-penitra ka na zato fotsiny ihany aza no natao dia mbola 2.000.000 dolara izany”, hoy ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa. Fampitahana mandeha eny amin’ny tambajotran-tserasera moa ny fandriana handraisana ireo mararin’ny covid-19 eto Madagasikara, izay avo lenta sy hary fitaovana ny any ivelany, ary toa toeram-patoriana ny sasany eto amintsika. Tsy ny vola no tsy misy, fa ny fitantanana sy ny laharampahamehana no hafahafa, hoy hatrany ity depiote teo aloha ity.


