ALAOTRA MANGORO : “Vonjena zaraina CVO ireo toerana mbola misy tranga”

Mirafitra amin’ny hoe Alaotra sy Mangoro ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny governora any an-toerana, ny Dr Richard Ramandehamanana.

Efa nisy ny ezaka natao tao Mangoro ary manana ny atao hoe « centre d’isolement » isika ao mandray marary isan’andro.

Misy tranga vitsivitsy miseho ankehitriny ao Ambatondrazaka ka tsy maintsy natao ny famendrahana fanafody toeram-piasana sy ny fanibohana azy ireo.

Nozaraina CVO avokoa ny mpiasa tsy an-kanavaka eo anivon’ny fiadidiana ny faritra ary hizarana izany koa ireo mpiasa isaky ny kaominina.

Efa mandeha ny fandraisana ireo marary sy ny fanatsarana ny toerana handraisana azy ireo, hoy hatrany ny governoran’Alaotra Mangoro. Raha ny tiana dia ho voazara daholo ny mponina rehetra saingy ireo toerana efa ahitana ny trangan’ity aretina Covid 19 ity aloha no vonjena haingana. Efa misy ireo tompon’andraikitra na  “agent communautaire” miaraka amin’ny mpitandro filaminana sy tompon’andraikitry ny fahasalamana midina ifotony manao ny fanentanana ny amin’ny tokony hanarahana ny fepetra sy mizara ireo fitaovana ilaina toy ny Arotava sy izay CVO izay, hoy hatrany ny fanazavany.

Vous aimerez aussi