Nanomboka ny alatsinainy lasa teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.
Nilaza mantsy ny Filoham-pirenena ny alahady 12 jolay teo, fa ny alarobia farahafatarany dia afaka handray mandray marary ireo CSB II, saingy mbola tsy tonga ny fitaovana, fanafody,… ahafahana mandray an-tànana ireo marary misy soritr’aretina heverina fa voan’ny covid-19 ho an’ny ankamaroany. Nilaza rahateo ny Filoham-pirenena, fa raha vao misy fambara toy ny tsy faharenesana tsiron-kanina, dia tsy tokony hiandry fitiliana fa heverina ho coronavirus avy hatrany, ka raisina ny andraikitra amin’ny fitsaboana.
40 isan’andro eo no tonga eny amin’ireny CSB II ireny, izay misy mihitsy ny misy soritr’aretina mahery vaika. Maro ireo tsy maheno tsiron-kanina. Ireo olona heverina fa aretina hafa no mahazo azo no raisina, fa nalefa sy notoroana hevitra ho any amin’ireo afaka mandray an-tànana ny mararin’ny covid-19 hatreto. Tsy afaka handray ny fitsaboana ireo “formes graves” ny CSB II na rehefa vory fitaovana aza, fa halefa any amin’ny toeram-pitsaboana lehibe.
Manodidina ny 100 isan’andro no manantona ireny toeram-pitsaboana tsy miankina ireny eto Antananarivo. Karazana tsirambina ihany ny mbola tsy fandraisana an-tànana ireo olona misy soritr’aretina manantona ny toeram-pitsaboana ara-panjakana eny ifotony. Miisa 18 ireo CSB II eto Antananarivo, izay andrasana ny fahatongavan’ny fampitaovana feno sy fanafody nampanantenain’ny Filoha.


