CORONAVIRUS : Mitombo ny tarehimarika : miampy 346 indray ny eto Antananarivo

382 indray ny tranga vaovao rehetra voatily androany, ka ny 346 dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Nisy koa anefa 9 tany amin’ny Faritra Atsinanana, 7 Matsiatra Ambony, 3 Itasy, 1 tany Analanjirofo,…

Manamafy hatrany izany fa ivon’ity valanareritna ity ny renivohitra. Mahatratra 6 849 izany ny isan’ny voa hatrizay.

Na izany aza, nisy ireo sitrana izay miisa 231 androany. 3339 izany ireo sitrana hatramin’izay.

3 455 kosa ireo marary mbola tsaboina ka tafakatra ho 92 no manana fahasarotana ara-pahasalamana.

1 kosa no namoy ny ainy androany tany Fianarantsoa, ka miisa 55 izany ireo maty hatrizay.

Ny isan’ny fitiliana vita hatrizay moa dia 32 491.

Mihahenjana ny ady

Manoloana ny fidangan’ny isan’ny marary eto an-drenivohitra dia ilaharana ny toby fitsaboana na ny an’ny Fanjakana izany na ny tsi-miankina. Maro dia maro koa ny olona hita mitandahatra eny amin’ny fivarotam-panafody na farmasia izany na mpivarotra raokandro voahodina.

Mitombo izaitsizy koa anefa ny mpivarotra raokandro na dia ravina ravintsara sy kininim-potsy fotsiny aza no hita amidy miaraka amin’ny anana eny.

Tsapa, araka izany, fa maro ny olona no marary, tsy vitsy koa ny miaro tena mialoha amin’izay heverina ho mahomby sy takatry ny vola indrindra indrindra, satria tsy mipaka any amin’ny daholobe izay heverina ho fanampiana na dia hividianana fanafody azy.

Dia samy manavotra aina ny rehetra fa tsy misy azo ianteherana loatra nefa mihahenjana ny ady.

Vous aimerez aussi