Miakatra avo ny tarehimarika, 614 no isan’ny voa androany, araka ny tatitra ofisialy. Mbola teto Antananarivo no betsaka satria miisa 548, 27 Itasy, 1 Menabe, 7 Bongolava, 12 Amoron’iMania, 5 Maevatanana, 8 Anosy, 4 Vatovavy Fitovinany.
Catégorie : Samihafa
CORONAVIRUS : 395 indray no voa, 3 no maty
Miisa 395 indray ny olona voatily ho mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Ny 356 dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa.
CORONAVIRUS : 3 no maty, 104 no voa
Nitrangam-pahafatesana miisa 3 noho ny tsimokaretina coronavirus indray teto Antananarivo, araka ny tatitra ofisialy androany. Miisa 62 izany no maty hatrizay.
TAHOTRA DISO TAFAHOATRA : Isan’ny mampihena hery fiarovana
Na hohanina daholo aza ny karazana legioma sy voankazo ary atao daholo ihany koa ity karazana raokandro rehetra ity dia zava-poana rehefa tafahoatra ny tahotra ny aretina Covid 19, hoy ny mpitsabo iray amin’ny alalan’ny fanoran-drantsana na irony antsoina hoe “reflexothérapie” irony.
ORINASA AMBATOVY : Miantso vonjy ireo mpiasa mbola mihiboka
Mangataka ny mba ahafahany mivoaka sy mirihariha ety ivelany amin’izay ireo mpiasa miisa 40 mbola tavela ao amin’ny orinasa Ambatovy any Toamasina.
DOKOTERA FIDY BARINIAINA : Ny ezaka hataon’ny tsirairay ihany no hampidina ny isa
Feno 4 volana omaly ny nanambarana tamim-pomba ôfisialy ny fisian’ny tsimok’aretina Covid19 teto amintsika. Tsy nitsaha-niakatra ny salan’isan’ireo olona voa nandritra izay 4 volana mahery izay.
CORONAVIRUS : 4 indray no maty, 200 no voa vaovao
4 indray no namoy aina, araka ny tatitra ofisialy androany, ka 3 Antananarivo ary 1 tany Antsiranana. 59 izany no lavo hatrizay.
FARITRA BOENY SY CROIX ROUGE : Miara-miasa amin’ny ady amin’ny fipariahan’ny Coronavirus
“Tsy an-tratra intsony ny rano fa efa an-tenda raha ny fipariahan’ny Covid 19 eto anivon’ny Faritra Boeny” hoy ny nambaran’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Mpisolo toerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah, ny alakamisy 16 Jolay lasa teo.
DELEGEN-NY BORIBORINTANY FAHATELO : Niroso tamin’ny fanamboarana ny lakan-drano, nanaiky ny fandaminana ireo mpivarotra
Niroso tamin’ny fanamboarana ny lakan-drano etsy amin’ny CSB2 Andravoahangy ny eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ka tamin’ny alalan’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo no nanao ny fanaraha-maso sy ny fandaminana rehetra.
CSB II ETO ANTANANARIVO : Mbola tsy tonga ny fitaovana sy fanafody
Nanomboka ny alatsinainy lasa teo no efa maro ireo olona tonga eny amin’ireny CSB II ireny ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina manantona hanao fitiliana sy hanao fizahana ara-pahasalamana.
