CORONAVIRUS : Mitroatra ny tsimokaretina : 614 no voa androany

Miakatra avo ny tarehimarika, 614 no isan’ny voa androany, araka ny tatitra ofisialy. Mbola teto Antananarivo no betsaka satria miisa 548, 27 Itasy, 1 Menabe, 7 Bongolava, 12 Amoron’iMania, 5 Maevatanana, 8 Anosy, 4 Vatovavy Fitovinany.

Tafakatra 8 162 ‘zany ny voa hatrizay.

Nahatratra 376 ihany koa ireo sitrana ka ny 334 tamin’ireo dia nitsabo tena tany an-tranony avy. 4 662 izany ireo sitrana.

3 431 kosa ireo mbola tsaboana ka nitombo koa ny manana fahasarotana satria tafakatra 84.

Nisy 4 kosa ireo namoy aina, ka 1 tany Boeny ary 3 teto Antananarivo.

33 268 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.

Mila miova tetikady

Raha ny fisondrotry ny olona mitondra ny tsimokaretina sy ny fipariahany ankehitriny izao dia mila maka fanapahan-kevitra hafa kokoa ny Fitondrana.

Tahaka ny fiainana tsy misy fihibohana manko ny fiainana andavanandron’ny mponina, satria tsy maintsy mitady isan’andro ny ankamaroan’ny vahoaka.

Raha misy ny tena fanampiana ka atao tena hentitra ny fihibohana dia mety ho vita ao anatin’ny tapa-bolana ny fitsaboana ireo marary ary tsy hisy ny famindrana aretina vaovao.

Hatreto aloha dia mionona amin’ny fihetsika fiarovana ihany ny rehetra !

Vous aimerez aussi